Alakamisy 31 Marsa 2022

Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32

 

Miaiky ny fahadisoany

„Teo am-panaovana ny sanganasa hosodokony, „Ilay Fanasan’ny Tompo farany”, i Léonard de Vinci no nifamaly tamina mpandalo iray. Sady niteny ratsy azy izy no nandrahona azy tamin’ny totohondry. Avy eo izy dia niverina nandray ny borosikely fandokoany, mba hanao sarin’ny tarehin’i Jesosy. Saingy tsy afaka nandoko mihitsy izy, noho ny hatezerany be loatra. Koa nandeha nanenjika ilay lehilahy notevatevainy izy, mba hangataka famelana taminy. Ary dia afaka nandoko tam-piadanana amin’izay izy.” (notantarain’i Gérard Fuller)

Toy izany koa, tsy afaka haneho taratra ny toetran’ny Tompo Jesosy isika, amin’ny teny sy ny asa ataontsika, raha tsy mahay miaiky ny fahadisoantsika eo anatrehan’izay olona notsiratsiraintsika.

Tokony ho an-kitsimpo ny fangatahako famelana, mifototra amina zavatra natao, izay iekeko fa nahadiso ahy. Raha miteny fotsiny aho hoe : „Mamelà ahy raha toa ka nandratra anao”, ny tena marina dia tsy manaiky ho diso tamin’ilay iray aho, fa manaiky fotsiny, raha be indrindra, hoe mety nampahory azy. Tokony hamaritra mazava aho, hahatsapa ny fahadisoako, ary hilaza izany mazava tsara : „Tamin’ny fotoana toy izao aho dia nanao izao zavatra izao. Ratsy sy tsy rariny izany nataoko izany. Koa mangataka famelana aminao aho”.

Izany fihetsiko amin’ilay nanaovako fahadisoana izany dia tsy azo sarahina amin’ny fiekena amin’Andriamanitra ilay zavatra nataoko. Tsy afa-misaraka izy roa ireo. Ao anatin’ny hery omen’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ahy, no hahitako ny hery hiekeko ny fahadisoako amin’ilay nanaovako izany, sy ny hery koa tsy hamerenako izany intsony. Ary ho fantatro fa tena amin’ny foko ny fiekeko ny fahadisoako tamin’Andriamanitra, raha afaka manatona am-panetrentena ilay olona aho ka miteny aminy hoe : „Diso aho”.