Alarobia 30 Marsa 2022

Fa katsaho aloha ny fanjakany (fanjakan’Andriamanitra) sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:33

 

Manome ho an’ny misionera

Maro tamin’ireo namako, hoy i Annie Skau nitantara, ny nihevitra fa tena hampidi-doza ny hiverenako ho misionera any Chine. Tamin’ny taona 1945 tokoa mantsy dia nisy ady tany. Izaho anefa dia resy lahatra fa mbola tsy vita ny asako teo anivon’ny Sinoa. Koa satria aho naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia nanapa-kevitra ny tsy hangata-bola na amin’iza na amin’iza, ho an’ny diako. Raha tian’ny Tompo ho any Chine indray aho, dia Izy no hanome ahy ny vola ilaina amin’izany.

Indray hariva aho dia niresaka momba ny asa maha misionera ahy, tao amina fivorian’ny tanora tany atsimon’i Norvezy. Taorianan’ny fivoriana dia nisy tovovavy roa, kambana mirahavavy, nanatona ahy. Nolazainy ahy ny nofinofy niredareda tao amin’izy ireo mba ho afaka hividy piano, indray andro any. Nikarama nandritra ny enin-taona izy ireo ho amin’izany… Nefa izy mirahavavy dia samy resy lahatra fa tokony homena an’i Annie Skau izany vola izany, hiverenany any Chine.

Tena feno fankasitrahana aho noho izany, nefa nalahelo koa, ka nandà ilay fanomezana. Saingy nisisika mafy izy mirahavavy, hany ka tsy maintsy nanaiky ihany aho. Mba nanantena aho hoe kristiana manamanana kokoa no hotaomin’ny Tompo mba hanome ny hoenti-manana ny diako. Nahoana moa no dia mpiasa madinika roa no asaina mamoy ny tahiriny, noho ny amiko ? Nefa fantatro fa tsy tokony hanahy aho, satria tsy ananan’iza na iza trosa ny Tompo. Mbola nanaporofo izany indray ny hoavy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia reko fa samy nanambady izy mirahavavy ireo, ary samy manana piano tsara tarehy tao an-tokantranony avy.