Talata 29 Marsa 2022

Ny làlan’ny adala dia mahitsy eo imasony ; fa izay mino anatra no hendry. Ohabolana 12:15

Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy ; fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana. Ohabolana 12:20

 

Mifampihaino

Hoy ity olona iray, somary nanao vazivazy : „Matoa isika manana sofina roa sy vava iray, dia satria tokony hihaino avo roa heny noho ny miteny !” Ny fihainoana dia fototry ny fifaneraserana, ary ny fifaneraserana no mamelona sy mampitombo ny fifandraisana rehetra.

Ry mpivady, aoka isika hahatsiaro hifampihaino. Aoka hikatsaka izay hahatakarana ny fisainan’ny ankilany. Aoka hosorohina izay rehetra mety ho fitsarana raikitra na tsy voahevitra, mety hanimba ny fifanakalozantsika. Mifanalavitra tsikelikely mantsy ny mpivady, rehefa tsy mifandray intsony araka ny tokony ho izy sy am-pahatoniana.

Ry ankizy, ry tanora, henoy ny ray aman-dreninareo : „Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalànan-dreninao” (Ohabolana 1:8).

Ry ray aman-dreny, aoka isika tena hihaino tsara ny zanatsika. Ahoana moa no hahafahana manorina fifandraisana feno fatokisana, raha tsy izany ?

Matetika ny fihainoana ny mpiara-monina amintsika, olom-pantatra, mpiara-miasa, dia fomba ahatakarantsika ny tsy fahafaham-pony sy ny filany hahita an’Andriamanitra. Aoka isika hihevitra azy ireny, mba hanekeny hihaino antsika ihany koa, rehefa miresaka aminy momba an’i Jesosy isika.

Ary ao amin’ny fiangonana isan-toerana, ahoana no hampaherezana, hampiononana, hanampiana ny rahalahiko na anabaviko, raha tsy mihaino azy aho ? Ny fitiavana irery ihany, izay arotsak’Andriamanitra ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny, no afaka mampianatra antsika hihaino tsara ny hafa.