Alatsinainy 28 Marsa 2022

Sambatra ny mpampihavana ; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. Matio 5:9

Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao. Matio 5:23, 24

 

Sambatra ny mpampihavana (8)

Ao amin’ny Baiboly, ny fandriampahalemana na fiadanana dia mihoatra lavitra noho ny hoe tsy fisiana ady na fifandirana. Izany dia ny tsy fisiana fanahiana mihitsy, noho ny fatokiana an’Andriamanitra. Iray tamin’ireo fahatsiarovana farany nananako momba ny rahalahiko, fony izy tao anaty fijaliam-be, dia ny fiadanana namirapiratra teo aminy. Niainany ny fiadanana nomen’i Jesosy Mpamonjiny azy.

Ny fihavanana amin’Andriamanitra dia fanomezana maimaimpoana ho an’izay rehetra mino, saingy novidiny tamina sandany tsy hita fetra, dia ny nanomezany ny Zanany Lahitokana. Rehefa nandray io fanomezana io isika, dia afaka miaina ao anatin’izany fiadanana izany, omban’ny fanampian’Andriamanitra. Raha apetratsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka izay rehetra fanahiantsika, dia hameno antsika sy hiaro ny hevitsika ao amin’ny Kristy Jesosy io fiadanan’Andriamanitra io. Dia ho ao amintsika Ilay Andriamanitry ny fiadanana, mba hampamirapiratra io fiadanana io (vakio Filipiana 4:4-9).

Inona moa no atao hoe „mampihavana” ? Ao anatin’izany ny manambara ao amina tontolo fahavalon’Andriamanitra, fa Izy dia manolotra ho an’ny olona rehetra ny fampihavanana aminy. Mba hahazoana izany, dia ampy ny finoana ny Tompo Jesosy.

Fa ny hoe mampihavana dia mikendry koa ny fifamatorana eo amin’ny samy mpianatr’i Jesosy. Ny anton’ny nitenenan’i Jesosy voalohany indrindra momba ny fiangonana eo an-toerana iray (Matio 18:20), dia ny hampianarany antsika ny fomba hitondrantsika tena mba hanamora ny famitranam-pihavanana, rehefa misy fifandirana. Ny tanjon’izany dia ny hahatongavana amin’ny famelan-keloka, amin’ny fiadanana. Aoka hotsarovantsika fa ny fihavanana amin’ny rahalahintsika dia fepetra mialoha ny fanompoam-panahy ataontsika amin’Andriamanitra.

„Izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” Ireo mpampihavana dia mampahafantatra, mety tsy ho amina teny maro akory, santionany amin’ny toetran’Andriamanitra mihitsy, toetran’Ilay Andriamanitry ny fiadanana.