Alahady 27 Marsa 2022

Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray ; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Kolosiana 3:15

 

Ny fiadanam-po ho lohalaharana

Tony ilay farihy, mangarahara ny ranony. Toy ny ao amina fitaratra, dia hita taratra eo aminy ireo hazo, ary eo amboniny, ny lanitra izay manomboka mihamavo somary volomboasary. Miandry ny fotoana hiovan’ny taratra rehetra ho mena aho, hakako sary. Saingy tampoka teo dia indreo nisy tasy mainty teo ambonin’ny farihy, satria nitsoka ny rivotra. Nifindrafindra sy nihalehibe ireo tasy ireo, ary nanenika ny farihy manontolo. Tsy nisy na inona na inona intsony hita taratra tao anaty farihy, na ireo hazo izany na ny lanitra. Nanjary matroka izy, ary toa nihalalina sy nampatahotra.

Arakaraka ny maha tony ny fanahintsika, sy ankatoavany an’Andriamanitra, ary itokisany aminy, no hahatonga ny endriky ny Tompo ho hita soritra be kokoa eny amintsika, sy hahalalantsika ny fidadasiky ny fahasoavany, izay iorenan’ny fiadanantsika. Mifanohitra amin’izany kosa, arakaraka ny mampisamboaravoara ny saintsika no tsy hanjakan’io fahasoavana io ao anatin’ny fontsika, eo am-pamakivakina ny toejavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Matetika isika dia mikofokofoka, satria te hamaha samirery ny olana rehetra. Zava-dehibe kokoa ny milamina eo ambany mason’Andriamanitra, mamela Azy hiasa ao anatintsika, araka ny fahendreny sy ny heriny. Na inona na inona miseho, dia ndao hianatra hitahiry ny fiadanam-po lalina, ao amina toe-tsaina mino, amin’ny alalan’ny vavaka. Amin’izay ny Fanahy Masina dia hitarika antsika sy hanome antsika ny hery hiainana ho an’ny Tompo, mihoatra lavitra noho izay mety ho vitantsika amin’ny ezaka ataontsika samirery.

Iza no tokony hanjaka ao an-tsain’ny mpino ? Ilay Andriamanitry ny fiadanana.

Toy ny ony lehibe midadasika misononoka milamina sy mahery, no tian’ny fiadanan’Andriamanitra hiarahana amintsika.