Asabotsy 26 Marsa 2022

Ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. Titosy 2:2

Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volo anareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Isaia 46:4

 

Fahanterana eo amin’ny fiainana kristiana

Miha antitra aho, ry Tompo : - Mba ataovy mitoetra hanetry tena aho, ka tsy hieritreritra fa ny traikefako dia ahazoako mampanjaka ny hevitro amin’ny zavatra rehetra. Araka izany, mba ataovy hendry aho mandanjalanja ny toejava-mitranga sy ny olona. - Aoka aho mba tsy hanjary olona malahelo, sarotiny, mitebiteby, mitodika mandrakariva amin’ny lasa ; fa mba ho ohatra amin’ny faharetana, fahalemem-panahy sy fahatakarana ny hafa. - Mba ataovy manaiky tsara kokoa hatrany ny fampianaranao aho. Omeo ahy ny fahasahiana hampahafantatra azy ireny, ary indrindra hiaina azy ireny ato anatin’izao tontolo very, tsy manana soridalana na fanantenana izao. Ho amin’izany aho dia mba ataovy azo itarafana ilay ohatra fitiavana marina sy tsy mitady tombony, navelanao ho anay. - Aoka ny famakiana ny Baiboly tsy hanjary fanatanterahana adidy tsy misy fifaliana, fa kosa ho loharano tiako hanovozana lalandava, mba hihavaozako isanandro ao aminy. - Ataovy mahatsapa bebe kokoa ny filàn’ireo manodidina ahy aho, ny filàn’ny ankohonako, ny an’ireo akaiky ahy, ireo rehetra mandalo fijaliana. Mba ataovy mivavaka ho azy ireo am-paharetana sy am-pinoana aho. - Mba amboary aho hiandry, tsy ny fahafatesana tsy akory, mba ho afaka amin’ireo adin-tsaiko, fa ny fiverenanao efa akaiky, araka ny nampanantenainao. Tariho amin’ny tananao aho, — Tohano ny fahalemeko Sy ny diako tsy voafaritra mazava. — Ray ô ! Aoka ny fitiavanao, Ny herinao sy ny fahendrenao — Hanodidina ny zanakao Amina fanampiana mahefa ny zava-drehetra !