Zoma 25 Marsa 2022

Fidionareo anio ary izay hotompoinareo. Josoa 24:15

Tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka : ary raha zanaka, dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra. Galatiana 4:7

 

Nafahana tamin’ny fanandevozana

Ny varotra andevo dia norarana tany Frantsa nanomboka tamin’ny taona 1815, nefa tsy nofoanan’ny Fanjakana frantsay tanteraka raha tsy tamin’ny taona 1848. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia notoherina imbetsaka ny fanandevozana, ary nanomboka tamin’ny Fanambarana maneran-tany momba ny zon’olombelona, nataon’ny ONU (desambra 1948), dia tokony ho efa tsy hita intsony eto ambonin’ny tany, raha ara-pomba ofisialy…

Nefa misy endrika fanandevozana hafa : zava-mahadomelina, fisotro mahamamo… Ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny zanak’olombelona dia mitoetra ho andevon’ilay antsoin’ny Baiboly hoe Satana. Izy, ilay „andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 12:31), no manjaka amin’ny olona rehetra, nanomboka tamin’ny nidiran’ny ratsy tao amin’ny saha Edena. Ny tanjony dia ny hitondra antsika ho any amin’ny fahafatesana mandrakizay.

Saingy tonga Kristy mba hanala antsika teo an-tanan’io tompon’andevo maro io. Kristy no nanafoana ny fanandevozana lehibe indrindra. Tsy fahafahana ihany no omeny izay mibebaka, fa hoavy mandrakizay koa, ao an-tranon’ny Rainy. Tsy taka-bidy ny sandany tsy maintsy nefain’i Jesosy, mba hahazoako ny fahafahana, satria ny ainy mihitsy ! „Fa olom-boavidy ianareo” (1 Korintiana 6:20).

Ny mpino, izay afaka tamin’ny fangejan’i Satana, ilay fahavalony ratsy indrindra, dia manjary mpanompon’i Jesosy Kristy, ilay Tompony vaovao. Ny apostoly rehetra dia mitonona ho „mpanompon’i Jesosy Kristy” avokoa ; saingy izany maha mpanompo azy ireo izany dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny fanandevozana azy (sy antsika) teo aloha. Nekeny tam-pifaliana sy tan-kalalahana izany toerany izany. Tsara loatra mantsy ny Tompony, ka voninahitra sy fifaliana ny manompo Azy !

Ary ianao, iza no tompoinao ? Raha ny Tompo Jesosy, dia tena olona afaka tokoa ianao !