Alakamisy 24 Marsa 2022

Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. Asan’ny Apostoly 5:29

Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy ; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena. Matio 10:28

 

Manohera !

Marie Durand (1711-1776) dia voafonja satria anabavin’ilay pasitera maritiora Pierre Durand, sady niraiki-po tamin’ny Baiboly toa azy, ary niaritra figadrana nandritra ny 38 taona tao amin’ny „Tour de Constance” tany Aigues-Mortes (Frantsa). Nafahana izy tamin’ny taona 1768, ary namela tao ny hafatra hoe : „Manohitra”, nataony sokitra nandritra ireo taona nahangirifiry ireo, teo amina vato fanambanin’ny efitrano kely maizina nanidiana azy. Io voambolana io dia mbola miteny amin’ireo izay enjehina noho ny anaran’ny Tompo Jesosy, sy amin’ireo izay te hitoetra ho mahatoky eo anatrehany. Nanoratra izao tononkalo izao i Ruben Saillens (1855-1942), ho fahatsiarovana ny finoan’i Marie Durand : Tsia, tsy ny vavahadinao vy mavesatra — Na ny rindrinao mainty, Ry tilikambo maizina, fonja mandoza, — No tiako hojerena ! Fa ilay soratra natao-na vehivavy iray, — Vita sokitra, Ilay teny manarona fijalijaliana elabe, hoe : Manohitra !

 

Rehefa hitan’ilay vehivavy nihafihafy — Teny lavitra teny ny fahafatesana, Dia tiany ho ity vato ity — No ho vavolombelony ; Koa mba hisorohany rehefa tsy eo intsony izy — Ny hakanosana, Dia nanoratra teo amin’ny takela-bato izy hoe : Manohitra !

 

Tamin’izany andro izany, tao an-dapany tany Versailles, — Dia nihomehy ny mpanjaka, Fa tato kosa, tato anatin’ireto manda namefy azy, — Dia nivavaka ny finoana. Ny iray nanoratra tao anaty lanonana hoe : — Enjeho ! Ny iray kosa, nanondrika ny lohany, nanoratra hoe : Manohera !

 

Ary ianao no nahery kokoa, — Ry finoana mahery fo ! Efa ela no maty ilay vehivavy — Ary ilay mpanjaka, maty ihany koa, Ny tehim-piandrianana sy satroboninahitra — Dia foana, Fa ao amin’ilay tilikambo tranainy kosa, mamirapiratra ny teny hoe : Manohitra !