Alarobia 23 Marsa 2022

(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Jaona 10:14, 15

 

Ny manaraka an’i Jesosy, safidy ve ?

„Teo amin’ny faha-15 taonako aho dia nandray anjara tamina lasy kristiana iray. Isaky ny hariva izahay dia manatrika fivoriana momba ny Baiboly. Ny teny ilaiko ho re mihitsy no ambaran’ilay mpitoriteny. Tsotra ny anazavany ny fitiavan’ny olombelona, dieny hatrany am-bohoka, ny fahafahana sy ny fahasambarana. Tanisainy ny tenin’i Jesosy hoe : „Izaho no Mpiandry Tsara”. Tsindriany ny maha famitahan-tena ny fiheverana hoe afaka rehefa any ivelan’ny valan’ondrin’Ilay Mpiandry Tsara. Misy andriana ratsy, antsoina hoe Satana, manjaka eto amin’izao tontolo izao. Ny Mpiandry Tsara dia Ilay Zanak’Andriamanitra, Jesosy, tonga niaina tetỳ an-tany. Izy irery no afaka mahatakatra tanteraka ny manjo antsika. Izy irery koa no hany afaka manaisotra ireo fahotantsika, satria Izy mihitsy, Izay tsy nanana ota, no nanonitra izany teo amin’ny hazofijaliana. Izy irery no mahay manafaka antsika amin’ny fanagejana tadiavin’ny devoly hamehezana antsika. Ny tena fahafahana, ny tena fahasambarana, dia Jesosy no manome izany.

Nisalasala aho, nolanjalanjaiko ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny. Afaka andro vitsivitsy aho dia nahatakatra fa tsy afaka manohitra ny fakam-panahy amin’ny herin’ny tenako samirery. Manao ny ratsy izay tsy sitrako aho, ary tsy manao ny tsara izay mba tiako hotanterahina. Mazava ny saiko ary an-tsitrapo aho no nisafidy hitoky amin’i Jesosy, hanaraka Azy, hihaino ny Teniny, hankatò Azy. Mino aho fa hanome ahy ny tena fahafahana sy ny tena fahasambarana Izy. Nanomboka nazoto namaky Baiboly aho, ka nanova ny fiainako izany vakiteny izany.

Izay ninoako fony aho 15 taona, dia fantatro ankehitriny, amin’izao faha-86 taonako izao, fa marina, satria niainako. Nahazo ny fiarovan’ny Tompo aho, nandritra izay taona rehetra izay.”

Esther E.