Talata 22 Marsa 2022

Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Marka 14:38

Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo ; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Jakoba 4:7

 

Afaka manohitra ny fakam-panahy ve aho ?

Ny rakibolana dia mamaritra ny fakam-panahy hoe : hery manintona ho amina zavatra voarara-na lalàna ara-pitondrantena na ara-pivavahana.

Voasariky ny ratsy ny zanak’olombelona, nanomboka tamin’ny nitrangan’ilay fakam-panahy voalohany, dia ny nakan’i Satana fanahy an’i Eva, fakam-panahy nampiditra ny ota ho eto amin’izao tontolo izao. Mbola io mpamitaka io koa no mambosy ny isambatanolona, anisan’izany ny kristiana, ka mety hahalavo azy amina fakam-panahy, na dia izay tsy noheveriny hahatratra azy mihitsy aza. Alaim-panahy ny olona, isaky ny apetraka manoloana safidy manetsika ny fieritreretany. Manoritra mazava tsara ny fizotran’izany ny Baiboly : „Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana” (Jakoba 1:14, 15).

Ny vahaolana mba hahafahako manohitra, dia ny mampitodika ny fitiavako amin’ny Tompo Jesosy, rehefa avy niaiky fa mpanota ary nandray Azy ho Mpamonjiko. Satria „izay itoeran’ny harenanao, dia ho any koa ny fonao” (Matio 6:21). „Tandremo ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy no iavian’ny aina” (Ohabolana 4:23).

Ry kristiana namana, aza hadinontsika izany, fa raha tsy izany dia tandindomin-doza lehibe isika. Nefa ny Andriamanitsika dia feno fahasoavana sy mpamindra fo. Fantany tsara ny fontsika sy ireo zavatra kasaintsika. Raha lavo tsy fidiny tamin’ny fakam-panahy isika, dia aza mihitsoka ao amin’izany faharesena izany, fa mieke izany ary miverena amin’Andriamanitra. „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).