Alatsinainy 21 Marsa 2022

Sambatra ny madio am-po ; fa izy no hahita an’Andriamanitra. Matio 5:8

Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah ? Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina ? Izay madio tànana sy mahitsy fo. Salamo 24:3, 4

 

Sambatra ny madio am-po (7)

Ny mpivavaka tamin’izany fotoana izany dia nanome tsiny ny mpianatr’i Jesosy tsy nisasa tanana talohan’ny nisakafoanany. Namaly izany Jesosy, nanoro hoe ny mahaloto dia izay mivoaka avy ao am-pontsika, avy amin’ny saintsika (Matio 15:18-20).

Loza ny mihevitra fa ny fanarahana ny fomba ivelany dia midika ho fahadiovana anaty ; loza efa nisy hatrizay hatrizay io, ary mbola misy mandraka ankehitriny.

Nefa ny fontsika aloha no ilaina diovina, mba ho madio ny fiainantsika. Koa tsy ny mikapoka ny vatana na ny fanahy no ilaina, fa ny manaiky sady mankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra, Izay mamela ny helotsika sy manadio antsika ho afaka amin’ireo fahotantsika. Satria mantsy ny fahadiovam-po dia asan’Andriamanitra. „Amorony fo madio aho”, hoy ny vavaka nataon’i Davida. Ary ny apostoly Petera dia niteny hoe : „Fa tsy nataony (nataon’Andriamanitra) misy hafa isika sy izy (ny Jiosy sy ny tsy Jiosy), fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony” (Asan’ny Apostoly 15:9).

Marina fa izany fahadiovam-po izany dia miseho eo amin’ny zavatra atao. Ny fiainan’ny mpino madio fo dia mangarahara, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. Ny fisainany, ny antony manosika azy, dia tsy misy olakolaka na fahambaniana.

Ny fo madio dia tsy manana afa-tsy Andriamanitra irery ihany ho ivony ; mifanohitra amin’izany ny fo miroa, izay manana tanjona roa.

Jesosy irery no hany manana fo tena madio, tsy misy fihatsarambelatsihy. Ho antsika kristiana, dia antsoina isika handroso amin’izany fikatsahana ny fahadiovana izany (Hebreo 12:14). Ny herin’ny Fanahy Masina, izay miasa ao anatintsika, no ahafahantsika manatanteraka izany ezaka mitohy izany.

Ireo izay manana fo madio ihany no hahita an’Andriamanitra. Dieny ankehitriny izy ireo dia efa mahita Azy, amin’ny mason’ny finoana. Ary indray andro any izy ireo dia hahita an’i Jesosy Kristy, amin’„izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2).