Alahady 20 Marsa 2022

Hoy Andriamanitra (tamin’i Abrahama) : Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka. Genesisy 22:1, 2

(Hoy Jesosy :) Ray ô… efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao. Jaona 17:24

 

Ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka

Vao manomboka ny Baiboly, dia maneho an’ohatra ny fitiavan’Andriamanitra ny Zanany, Jesosy, ny tantaran’i Abrahama sy Isaka zanany (Genesisy 22). Ny fitiavan’ny Ray ny Zanany : amin’ny alalan’io fifandraisana io no tian’Andriamanitra hampahatakarana antsika ny fitiavany antsika. „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8, 16), toetrany izany.

Ny Filazantsara nosoratan’i Jaona dia manambara amin’ny fomba miavaka ny fifankatiavana eo amin’ny Ray sy ny Zanaka : „Ny Ray tia ny Zanaka” (5:20) ; „Tiako ny Ray”, hoy Jesosy (14:31). Mba hilazany izany fiombonana lalina sy lavorary izany, dia hoy Jesosy tamina mpianany iray : „Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko ?” (14:10). Izany fitiavan’i Jesosy Zanaka ny Rainy izany no nahatonga Azy hidina tetỳ an-tany, hiaina fiainana feno fankatoavana sy fanoloran-tena, ary hanao sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjy antsika (14:31). Raha mandà fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, ivon’ny fitiavan’ny Rainy ho mandrakizay, dia mandà Ilay Andriamanitry ny Baiboly, mbamin’ny Baiboly manontolo !

Fa ireo izay manaiky kosa hoe tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hanambara ny Ray, ireo izay mino ny anarany, dia „nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (1:12). Ampidiriny ao amin’izany fifandraisana mahagaga izany izy ireo. „Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”, izany no hafatra nasainy nentina ho an’ireo mpianany, ny marainan’ny nitsanganany velona indray (20:17). Io fitiavana tsy misy fetra mampiray ny Ray sy ny Zanaka io no tian’i Jesosy hifampizarana amin’izay rehetra mino Azy. Hoy Izy amintsika : „Tahaka ny nitiavan’ny Raiko Ahy no nitiavako anareo” (15:9). Ary hoy Izy tamin’ny Rainy : „Ianao… efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (17:23).