Asabotsy 19 Marsa 2022

Anaka, atolory ahy ny fonao. Ohabolana 23:26

Fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy ? hoy Jehovah. Jeremia 30:21

 

Atolory Ahy ny fonao

Ianareo ankizy manana ray aman-dreny kristiana no mba iresahanay manokana androany. Mahazatra anareo ny Baiboly ; novakin’ny ray aman-dreninareo sy nohazavainy taminareo izany, nanabe anareo araka ny fampianarana hita ao izy ireo. Efa nampahafantarina anareo ny fotopoto-pahalalana momba ny ota, ary amin’ny ankapobeny ianareo dia manana fiainana milamina sy mahitsy. Angamba ianareo efa zatra mieritreritra anareo ho kristiana, satria kristiana ny ray aman-dreninareo. Nefa tokony ho fantatrareo izao : na dia voafehy-na fitsipi-pitondrantena tsara aza ny fironan-dratsinareo, dia tsy tsara noho ny hafa tsy akory ianareo ao anatinareo ao, ary tsy mahatonga anareo ho kristiana ny fanabeazana kristiana azonareo. „Tsy misy teraka kristiana, fa manjary kristiana kosa” (Tertullien, taonjato faharoa).

Ignace d’Antioche (taonjato voalohany) dia nilaza hoe : „Tsy ampy ny mitondra ny anarana hoe kristiana, fa tsy maintsy kristiana ihany koa”.

Ireo roa lahy „rain’ny Fiangonana” ireo dia nahatakatra tsara ny fampianaran’ny Baiboly. Ambaran’Andriamanitra ao, amin’ny fomba tena mazava, fa ny olombelona rehetra dia mpanota hatrany am-potony, ka tokony hanao dingana manokana ho amin’ny finoana, mba tsy hiharan’ny fitsarana. Ry ankizy, ry tanoran’ny fianakaviana kristiana, tombontsoa ho anareo ny mahafantatra ny fampianaran’ny Baiboly, nefa tsy ampy izany. Tsy ny hanarahanareo foto-pampianarana iray no ilaina, fa ny hanoloranareo ny fonareo ho an’i Jesosy.

Aza mijanona ho zanaka kristiana fotsiny ianareo, fa aoka hanjary kristiana feno, manolo-tena ho an’Ilay te ho Mpamonjinareo manokana.