Zoma 18 Marsa 2022

Fa efa tonga ny Zanak’olona (Jesosy) hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10, 11

 

Voavotra tsy maty an-drano

Indray andro aho dia saika maty an-drano. Enin-taona aho tamin’izay, nefa dia mbola tadidiko toy ny vao omaly izany : nitsikarokaroka tetsy sy teroa ny sandriko, niezaka hamikitra tamina zavatra mafy aho. Rehefa nihoatra ny tampon’ny rano ny masoko, dia niaina lalina aho, saingy indrisy fa tokony nifoka rivotra aho, nefa dia rano no voatelinko. Mbola tsapako mandrakizao ilay izaho nangitakitaka.

Soa ihany fa nisy vehivavy iray tsy fantatro, nilomano koa tao amin’ilay dobo filomanosan’ny hotely, nahatazona mafy ny sandriko, dia nosintonin’ny raiko hivoaka ny rano aho. Reraka tanteraka aho. Menatra ilay mpikarakara ny dobo filomanosana, ka nametraka avy hatrany marika mitsingevana mba tsy hisy ankizy hafa hikorisa avy ao amin’ny dobon’ny ankizy ka lasa ao amin’ny dobon’ny olon-dehibe…

Rehefa mitady ho faty an-drano hono ny olona iray, dia matetika mikorofoka aoka izany, ka manakana ny mpamonjy voina tsy ho afaka mamonjy azy. Eo amin’ny fiainana isika indraindray dia difotra anaty olana, fahoriana sy ny lasa, ka mikofokofoka miady amin’Andriamanitra. Nefa Izy irery ihany no afaka mamonjy antsika.

Voasoratra ao amin’ny Baiboly hoe : „Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” (Isaia 55:6). Fa nanamarika ihany koa Jesosy hoe : „Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40).

Maninona moa ianao raha mba mijanona tsy mikofokofoka miady intsony, ary mamela hiasa Ilay Andriamanitra Mpamonjy ?