Alakamisy 17 Marsa 2022

Filipo… nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:35

Ary niaraka tamin’izay dia nitory… izy (Saoly) ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 9:20

 

Ny votoatin’ny hafatry ny Filazantsara

Filipo evanjelista dia nirahin’Andriamanitra hanatona ilay tandapa nitantana ny harenan’ny mpanjakavavin’i Etiopia, mpanjakavavy mahery. Filipo, irak’Andriamanitra, dia tsy namelabelatra taminy rijan-kevitra momba ireo karazam-pivavahana nisy, na ny tombony ananan’ny finoana kristiana, miohatra amin’ny fivavahana hafa. Avy hatrany izy dia nanitsy ary nitory an’i „Jesosy”. Izany no fototry ny hafatra nampitondrain’Andriamanitra azy, ho an’io lehilahy manankarena sy manam-pahefana io.

Ny apostoly Paoly dia vao avy nifanena tamin’i Jesosy Kristy sy niaiky ny maha Mesia Azy, Ilay nenjehiny fatratra teo aloha noho ny tsy fahalalany, tamin’ny nanenjehany ny kristiana. Niova tanteraka izy : niova fo izy, dia iny fa nanjary nitory teo amin’ny manodidina azy. Inona no hafatra hampitainy amin’ireo olona akaiky azy ? Toa an’i Filipo, dia „nitory… izy ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra”, ary nanindry mafy ny fiandrianan’Ilay vao nanova ny tao anatiny lalina indrindra.

Tatỳ aoriana, rehefa nanoratra ho an’ny kristiana tany Korinto izy, dia mbola nanamafy hoe : „Izahay mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana”.

Ny filazantsaran’i Jesosy Kristy (Marka 1:1) dia tsy fitambarana foto-pampianarana tsy akory. Izy io dia mampiseho Olona velona, Izay tia anao sy liana ny aminao, mba hamonjeny anao.

Ny fivavahana dia manafy ny etỳ ivelany, fa Jesosy kosa dia manova anao ao anaty lalina ao. Lehibe dia lehibe ny fahasamihafan’izany !

Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, voahombo teo amin’ny hazofijaliana, ary natsangan-ko velona indray mba ho famonjena ny olona tsirairay, izany no hafatra fototra ezahin’ireto takelaka ireto ampitaina.