Alarobia 16 Marsa 2022

Ary avy Jehovah… niantso toy ny teo ihany hoe : Ry Samoela, ry Samoela ô ! Dia namaly Samoela hoe : Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 1 Samoela 3:10

Maria… nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Lioka 10:39

 

Mitenena, ry Tompo

Mitenena, ry Tompo, mihaino ny mpanomponao. Ry Andriamanitra Mpiandry, fantatro ny fahamoram-ponao ; Mampitony ahy ny feonao ary manala ny fisalasalako ; Mitenena, ry Tompo, ka ampitonio ny foko.

 

Kely ny fahalalako sy ny finoako, Nefa sambatra aho mianatra eo an-tongotrao. Avia hitahy ahy, hampanalavitra ireo fetrako ! Mitenena, ry Tompo, fenoy mitafotafo ny foko.

 

Matetika loatra no mirenireny ny eritreritro, Liana amina fahafinaretana mamitaka. E ! arovy aho tsy ho voasarik’izao tontolo izao : Mitenena, ry Tompo, ary anjakao ny foko.

 

Hatanjaho aho, amin’ny fahasoavanao mahery, Ataovy ao aminao irery no ahitako ny fahasambarako ; Ary omeo finoana miredareda kokoa aho, Koa mitenena, ry Tompo, ary ataovy mirehitra ny foko.

Teny an-dalana ireto mpianatra roa lahy. „Dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy… Ary hoy Izy taminy : Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao ? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy… Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra…

Dia niresaka hoe izy : Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?” (Lioka 24:13-32).