Talata 15 Marsa 2022

Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana… no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:5-7

 

Andriamanitra dia mihaino

„Ny vadiko dia mahery setra, rehefa tratran’ny toaka. Indraindray aho, rehefa manoloana azy, dia mahatsapa ho toy ny nazera amin’ny tany. Amin’izay dia tsy misy teny mandaitra aminy intsony. Fa Andriamanitra kosa dia eo anilako, ka lazaiko mangina aminy izay tsy azoko ambara ho heno, dia izay rehetra mamesatra ny foko, ny alaheloko manontolo. Firifiry moa ireo „nahoana” miakatra any amin’Andriamanitra, amin’izay ! Mba alaivo an-tsaina anie ny hagagako, indray andro, nony tonga niala tsiny tamiko ny vadiko, namerina ireo teny nolazaiko tao amin’ny vavaka mangina nataoko omalin’io ! Eny, niteny taminy Andriamanitra. Niainako ny hoe fantatr’Andriamanitra ny zavatra rehetra, hitany daholo, lanjainy avokoa, ary miasa Izy. Tsy hoe tsy miraharaha Izy, hitany ny fijaliantsika. Raha misy fitsapana avelany hisy, dia ampiany koa isika hahazaka izany : „Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo” (1 Korintiana 10:13). Rehefa ao anaty zava-manahirana isika, tena ao anaty fahoriana mihitsy, dia mety hieritreritra fa lavitra antsika Andriamanitra. Tsia ! Akaiky dia akaiky antsika Izy. Tamin’ny apostoly Paoly nigadra tany anatirova, ary nampoizina halefa any Roma mba hotsaraina any, dia nitsangana teo anilany ny Tompo ka niteny taminy hoe : „Matokia, fa… mbola [hanambara] Ahy any Roma koa [ianao]” (Asan’ny Apostoly 23:11). Ao anaty toejavatra toy izany, dia fenoin’Andriamanitra ny fitiavany sy ny fiadanany isika. Izy irery no mahay manome fitoniana lalina mihoatra noho izay rehetra hay heverina.” Avelan’Andriamanitra hitranga ny fahoriana, mba hitahiany antsika, Tsy mandratra antsika Izy sanatria, mba hampijaly antsika, Tefeny etỳ an-tany ny zanany malalany, Koa aoka isika hidera Ilay Raintsika, noho ny fikolokoloany antsika.