Alatsinainy 14 Marsa 2022

Sambatra ny miantra ; fa izy no hiantrana. Matio 5:7

Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Salamo 103:8

 

Sambatra ny miantra (6)

Ny hoe miantra dia ny mijery ny hafa, ny namako, ilay mijaly na afaka mampijaly ahy, mijery azy toy ny fijerin’Andriamanitra azy, izany hoe an-kamoram-po, dia ny hamoram-pon’Andriamanitra. Ny fiantrana dia tsy toe-po anaty fotsiny, fa miseho amina asa azo tsapain-tanana. Manome hanina ho an’izay noana, manome rano ho an’izay mangetaheta, mampiantrano vahiny, mamangy ireo voafonja sy ireo marary…, izany no fiantrana miasa. Ary aza hadinointsika ireo asam-piantrana tsy dia hita maso : manoro hevitra ireo izay misalasala, mampianatra ireo ao anatin’ny tsy fahalalana, mampahery ireo manaiky hogejain’ny ratsy, mampionona ireo mitomany, mifona ho an’ny olona rehetra…

Ny manaitra ato amin’ity „Sambatra” ity dia ny fifandanjana eo amin’izay iainantsika sy ny ataon’Andriamanitra. Tahaka ny hoe mitondra antsika toy ny itondrantsika ny hafa Andriamanitra. Raha ny marina, dia hitantsika ihany koa ao amina teny maro nataon’i Jesosy io fifandanjana io. Ohatra : „Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay” (Matio 6:12). Tian’Andriamanitra isika haneho ny toetrany, ka mba hahatanteraka izany, dia ataony afaka manao ho an’ny hafa toy izay nataony tamintsika isika. Tandremo anefa : ny hoe miantra dia tsy mahatonga antsika velively ho mendrika hiantran’Andriamanitra. Ny fiantrana antsika dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra tokoa tokoa. Tian’ny apostoly Paoly ny namerimberina hoe : „Nahazo famindrampo aho” (1 Timoty 1:13, 16). „Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala” (Efesiana 5:1).