Alatsinainy 4 Septambra 2023
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:15
(Hoy Jesosy :) Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32
Sarotra amin’olona maro ny manaiky ny fanambaran’ny Baiboly hoe : „Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:22-23). Nefa ve ao anatin’ireo eritreritsika na asantsika, tsy misy fitsiriritana, hatezerana, lainga, herisetra aza indraindray… ? Afaka miezaka hanala tsiny ireny isika, nefa dia tena ao tokoa izy ireny.
Mitovy ny toerana ametrahan’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Tsy mampitaha azy ireo Izy, fa manambara hoe samy mpanota izy rehetra, tsy manana fialan-tsiny, ary mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra, na inona na inona fiaviany sy toerany eo amin’ny fiarahamonina… Satria masina Andriamanitra, ka tsy afaka mandefitra amin’ny ratsy.
Nefa amin’Andriamanitra dia tsy lalan-tampina io fahatsapana io. Tonga tetỳ an-tany Jesosy Zanany, hanaisotra ny fahotan’ireo izay miaiky fa mpanota. Filazantsara telo no mitatitra ilay fanambarany hoe : „Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” (Matio 9:13 ; Marka 2:17 ; Lioka 5:32). Araka izany dia tsy misy Mpamonjy afa-tsy ho ana mpanota !
Hany ka raha misy mihevitra ny tenany ho tsy manana fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra, dia dila ny famonjena atolotr’Andriamanitra izy. Raha tsy mila famelan-keloka izy, dia tsy misy koa Mpamonjy ho azy. Tandremo anefa ! Hoy koa mantsy ny Baiboly : „Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika ?” (Hebreo 2:3).
Ilay Andriamanitra nahary antsika dia tia antsika ary „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4). Te handray io famonjena io ve isika ? Raha tsy mila an’io isika, dia inona no azontsika antenaina ?