Talata 5 Septambra 2023

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 16:24

Ary ny fiadanan’Andriamanitra… hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:7

 

Lazao tsotra fotsiny

Renim-pianakaviana kristiana aho, mitady izay hahafaly ny Tompo ao amin’ny fomba fanabeazako ireo zanako. Indraindray dia sarotra amiko ny ho tony rehefa miady izy ireo. Ary tsy maintsy miaiky amin’alahelo amin’ny Tompo aho, noho ireo tsy fahombiazako sy ny tsy fananako faharetana.

Indray andro, tena nandreraka ahy mafy ireo zanako, ka faran’izay tezitra aho, ary tsy naharitra intsony. Koa tamin’io indray mandeha io, tsy nivavaka toy ny mahazatra aho taorianan’izany, niampanga tena satria sosotra amin’ny tsy misy dikany, fa nitroatra niteny hoe : „Ry Tompo a, tsy tantiko intsony ireto ! Reraka aho, tofoka ! Nefa fantatrao izany… Ampio aho !”

Dia nahatsapa ny tenako ho maivana sy tony aho, tamin’io fotoana io. Takatro nony farany fa vavaka tsotra, mivantana sy tsapa tsara, no irin’ny Tompo, fa tsy fiekena tsy misy farany ireo fahadisoako sy fahareseko, aorianan’ny ady.

Nanomboka tamin’io andro io aho dia tsy nikofokofoka niady irery intsony, fa niezaka nanambara taminy ny toejavatra „misy”, araka izay ahatsapako azy. „Efa mby akaiky ny Tompo” (Filipiana 4:5), vonona hanampy, tsy manome tsiny, ary koa vonona hampahery antsika. Fantany ny harerahana ara-tsaina tsy maintsy iaretana renim-pianakaviana, sy ny fahasarotan’ny hijanonany ho tony. Takany izany, ary manafaka antsika Izy amin’ireo fotoana sarotra.

Ndao hianatra hivavaka am-pahatsorana, hilaza amin’ny Tompo izay tsapantsika, tsy manao famboamboarana tsy ilaina… Ndao hiantehitra amin’ny hatsarampony, ny fahatakarany, ny fitsinjovany ireo antsipirian-javatra madinika eo amin’ny andavanandrontsika. Ankasitrahiny ny fihetsika feno fanetrentenan’ireo izay miaiky ny fetran’ny tenany, ka miantso vonjy aminy sy miantehitra amin’ny fahasoavany.