Alarobia 6 Septambra 2023

Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra, sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy, ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Jakoba 1:5-6

 

Momba ny epistilin’i Jakoba (2)

Ny mpino misalasala

Ny mpino dia manana loharanon-kery tsy fahita, azony ampiasaina amin’ny fotoana rehetra sy ao anaty toejavatra rehetra, dia ny vavaka. Ny hoe mivavaka dia miresaka tsotra fotsiny amin’Andriamanitra. Zava-dehibe ny mivavaka am-pinoana sy am-patokiana hoe hain’Andriamanitra valina ny vavaka ataontsika, ary tiany hovalina. Ndao hiaiky fa matetika isika no mangataka nefa misalasala, angamba mety tsy tandrintsika akory, ny amin’ny valim-bavaka homen’Andriamanitra.

Tamin’ny andron’ny apostoly, i Petera dia nogadrain’i Heroda, ilay mpanjaka masiaka lozan-tany, ary efa hotapahin-doha koa angamba, toa an’i Jaona Mpanao batisa, taona vitsivitsy talohan’izay. Koa niangona tao amina trano iray ny kristiana tao an-tanàna, niara-nivavaka ho an’i Petera (jereo Asan’ny Apostoly 12). Namaly ny vavaka nataon’izy ireo Andriamanitra : nafahan’ny anjely tamin’ny fomba mahagaga i Petera, izay nifatotra rojo sy nambenana miaramila maro tao ambadika vavahady vy. Nankany amin’ilay trano fantany fa mahazatra ny kristiana hiangonana izy. Nandondòna teo am-baravarana izy, ka nisy mpanompovavy nanontany ity mpamangy tsy nampoizina. Fantany ny feon’i Petera, ary faly loatra izy ka nanadino namoha ny varavarana, dia lasa nihazakazaka nilaza io vaovao mahafaly io tamin’ny mpino tafavory. Inona no navalin’izy ireo azy ? „Very saina ianao !” Rehefa namoha ny varavarana izy ireo, nony farany, ary nahita an’i Petera, vao nahatsapa ny halehiben’Andriamanitra sy ny heriny. Nety ny niangonan’izy ireo hivavaka amin’Andriamanitra, nefa tsy ampy ny finoan’izy ireo Azy. Matetika isika no mitovy amin’ireo mpino tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana ireo. Ampirisihin’io tantara io isika hivavaka mandrakariva am-pinoana, ary tsy hisalasala.