Alakamisy 7 Septambra 2023

Velona… Jehovah… Izay itsanganako eo anatrehany. 1 Mpanjaka 17:1

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko… eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. Salamo 63:1

 

Andriamanitra irery no mahita izany

Ny volana dia mihodidina ny tany ao anatin’ny 28 andro, ary mandritra io fe-potoana io dia mihodina eo amin’ny tenany koa, toa tandrimo mihodina miadana. Noho izany dia lafiny iray ihany no asehony mandrakariva amin’ny tany. Ho antsika izany, ny volana dia misy ny lafiny hita maso sy ny lafiny miafina. Nanomboka tamin’ny nandefasana ireo zanabolana, dia efa nalaina sary io lafiny tsy hitan’ny olona maso io.

Tsy toy izany koa ve ao anatin’ny foko ? misy lafiny miafina, tsy hitan’ny hafa, nefa hitan’Andriamanitra. Tahaka tsiambaratelo eo amin’Andriamanitra sy ny tenako izany. Tsy misy olona, na ny vadiko na ny zanako aza, mahafantatra tanteraka ny tena fifandraisako amin’Andriamanitra. Tsy haiko ny manoritsoritra marina izany amin’ny hafa. Nefa Andriamanitra dia mahita tanteraka izany sy mihevitra izany.

Tsy hita maso avy etỳ an-tany ny lafiny miafin’ny volana, nefa kosa hazavain’ny masoandro mandritra ny 14 andro ny teboka tsirairay eo aminy, ary ao anaty haizina mandritra ny 14 andro manaraka. Eto koa, ndao isika hanao fampitahana amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Indraindray ny lafiny miafin’ny foko dia eo amin’ny fahazavan’Andriamanitra, izay manazava sy manafana azy. Izany no mitranga rehefa mamaky am-pitandremana ny Baiboly aho ary miantraika feno amin’ny foko sy ny fieritreretako ny hafatra ampitainy, amin’ny maha tenin’Andriamanitra azy. Amina fotoana hafa kosa, raha manidintsidina fotsiny aho mamaky ny Baiboly, na tsy mamaky mihitsy, ary tsy mivavaka, dia mitoetra ao anaty haizina io lafiny miafina io. Andriamanitra irery no mahafantatra izany, satria mety ho tsara ivelany ny fahitana ahy. Nefa aho afaka miverina amin’Andriamanitra Raiko, ary milaza aminy ilay aloka teo aminy sy amiko. Ary na dia mikorontan-tsaina aza aho, nefa tsy mahalala ny antony, dia afaka manokatra aminy ny foko, ao anatin’ny vavaka.