Zoma 8 Septambra 2023
Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. Matio 16:3
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy ; miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Isaia 55:6
Ireo biby famantarana toetrandro
Nitsangantsangana tany ambanivohitra i Isaac Newton indray andro, no nisy ankizy kely iray mpiandry ondry nilaza taminy hoe : „Faingàna ianao, tompoko, sao ho kotsa eo”. Gaga ilay manampahaizana, izay efa nianatra ela ny famantarana ny toetrandro, satria ny lanitra tsy nahitany rahona na kely akory aza. Notohiziny ny lalany, fa tsy nahoany ilay fampitandremana. Tsy ela taorianan’izay anefa izy dia kotsa-na oram-be avy tampoka. Niverina izy nanontany ilay zazalahy kely ny fomba nahafantarany fa ho avy ny orana.
- Tsotra fotsiny izany : rehefa mitodi-damosina ny rivotra ny ondry maintiko, dia fantatro fa ho avy ny orana ao anatin’ny adiny iray manaraka izany.
Ireo izay mandinika ny voary dia mahalala famantarana milaza fiovana toetrandro. Ny Baiboly dia manambara amintsika „fiovana toetrandro” iray hafa : ny fiafaran’ny vanimpotoanan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ampitandremina isika fa hisy farany ny faharipon’Andriamanitra, ary „amin’ny andro farany” dia hirotsaka amin’ity tontolo feno herisetra sy fahavetavetana ity ny fitsarany. Efa miha hita kokoa hatrany izao ny fambara izany mialoha : miha simba ny manodidina ara-toe-panahy iainana, miha manjavozavo ny fefy manasaraka ny tsara sy ny ratsy, manjary mahazatra ny fitondrantena faran’izay maloto. Nefa mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola manolotra antsika ny fomba hahazoana famonjena : mino an’i Jesosy, Izay manafaka antsika tsy hiharan’ny fahatezerana ho avy.
Hahay hamonjy fialofana ve ianao ?
Fantatrao ve fa ny fahafatesan’i Kristy no nanefany ny tambin’ny otanao ?
Hainao ve hoe toy inona ny hasarobidin’ilay ra manadio
Sy afaka mamafa ho mandrakizay ireo fahadisoanao ?
Fantatrao ve fa eo anatrehan’Andriamanitra dia io ra manamarina io no nanaovana fampihavanana ?
Minoa an’i Jesosy !