Asabotsy 9 Septambra 2023

Marina ny teny efa reko… Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. 1 Mpanjaka 10:6-7

(Hoy Joba tamin’Andriamanitra :) Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao. Joba 42:5

 

Andeha hizaha

Mpanjakavavy iray nahare, tany amin’ny taniny, ny voninahitra sy fahendren’i Solomona mpanjaka, izay kisarisarin’i Jesosy, Ilay Mpanjakan’ny voninahitra (Salamo 24:8-10). Nefa izy tsy nety hino ny fitantarana tsy fandre natao taminy. Nanapa-kevitra izy hoe izy tenany mihitsy no handeha hijery maso an’i Solomona. Rehefa niverina nody izy dia nitolagaga, nanambara fa tsy notantaraina azy akory ny antsasaky ny zavamisy marina : nihoatra lavitra noho izay rehetra noheveriny i Solomona !

Joba, ilay patriarka, dia nino an’Andriamanitra. Nefa izy nandalo fitsapana mahamay, nahatonga azy hanana hevi-diso momba an’Andriamanitra. Any am-paran’ny boky Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’i Joba, tamin’ny alalan’ny famirapiran’ny voary. Nanao tsoa-kevitra koa i Joba, hoe : nahare ny aminao aho, nefa ankehitriny kosa dia nahita maso Anao. Dia niaiky izy fa lehibe tsy hita fetra Andriamanitra…

Filipo dia nifanena tamin’i Jesosy ; nambarany an’i Natanaela mpiray tanàna aminy ny hitany, hoe Jesosy no Ilay Mesia nandrasana fatratra. Nisalasala mafy i Natanaela, nefa nanitrikitrika i Filipo hoe : „Andeha hizaha” (Jaona 1:46). Nanaiky ho resen-dahatra i Natanaela, ka nandeha nijery an’i Jesosy, mba ho izy tenany mihitsy no hahita Azy. Teo no ho eo ihany izy dia niaiky fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpanjakan’ny Israely (Jaona 1:49).

Ianao ve nahare tamin’olon-kafa teny momba an’i Jesosy, ary nisalasala toy ilay mpanjakavavin’i Sheba na i Natanaela ? Sa manana fiheveran-diso momba an’Andriamanitra toa an’i Joba ? Raha izany, andeha hizaha, ianao mihitsy. Ho amin’izany dia vakio ireo filazantsara, angataho Andriamanitra haneho ny tenany aminao, araka ny tena maha Izy Azy. Hahay handresy lahatra anao Izy ! Ianao koa, hahita fa mihoatra noho izay rehetra efa renao momba Azy Izy !