Alahady 10 Septambra 2023
Ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy. Lioka 19:48
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Nanapa-kevitra hampisambotra an’i Jesosy ny manampahefana ara-pivavahana tao Jerosalema. Naniraka mpiandry raharaha izy ireo hisambotra Azy. Niverina anefa izy ireo taoriana kely, tsy niaraka tamin’i Jesosy. Fa inona no nitranga ? Inona no fanazavana nentin’izy ireo noho ny tsy fahombiazany ? Hoy fotsiny izy ireo : „Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46).
Nandeha hisambotra an’i Jesosy ireo mpiandry raharaha, efa nanana hevitra mialoha momba Azy. Ny ankamaroan’ny olona, ireo lehibe indrindra sy manam-pahalalana indrindra ao an-tanàna, dia nihevitra an’i Jesosy avy any Nazareta ho mpisandoka. Nampangaina Izy hoe mpaniratsira an’Andriamanitra sy mamoaka ny demonia amin’ny alalan’ny lohan’ny demonia… Izany no fanaovana tsinontsinona an’i Jesosy, fanaovana tsinontsinona neken’ireo olona ireo.
Koa nahoana àry izy ireo no tsy nahasambotra ny Tompo ? Fa inona loatra no afaka nampiova ny fihetsiny ka nahasahiany niverina tsy nitondra Ilay olona tokony nosamboriny ? Ren’izy ireo ny tenin’i Jesosy, teny tsy ho afaka nolazain’iza na iza ankoatra Azy.
Noho izany dia nampangain’ireo manampahefana ho nanaiky hofitahina ireo mpiandry raharaha ireo, nefa namaly i Nikodemosy, iray amin’ireo lehiben’ny manampahefana, hoe tokony hihaino an’i Jesosy aloha vao manilika Azy. Koa naneso nanontany an’i Nikodemosy ireo lohandohany ara-pivavahana, raha mpianatr’i Jesosy koa izy.
Nefa marina mandrakariva io tenin’i Nikodemosy io. Nahoana no mandà ny Filazantsara alohan’ny namakiana na nihainoana azy ? Ny Tenin’Andriamanitra dia manana ilay hery hitondra antsika ho eo amin’ny Mpamonjy. Ny famakiana azy no mahatonga ho amin’ny finoana. Manana ny heriny manokana io Teny io handreseny lahatra.