Alatsinainy 11 Septambra 2023

Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolompo, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Marka 7:21-22

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika. 1 Jaona 1:9

 

Hery mety mipoaka

Albert Einstein dia nanoratra, tamin’ny taona 1948, hoe : „Ny hany tena olana, amin’ny vanimpotoana rehetra, dia izay ao anatin’ny fo sy fisainan’ny olona. Tsy olana ara-batana io, fa olana ara-toe-panahy aman-tsaina. Mora kokoa ny manova ny toetran’ny „plutonium” noho ny sain’ny haratsiana ao anatin’ny olona. Tsy ny tanjaky ny fipoahana baomba atômika no mampihorohoro antsika, fa ny tanjaky ny haratsiam-pon’ny olombelona, ny heriny mipoaka ho amin’ny ratsy.”

Tsy izy no voalohany nanambara izany fahatsapana matsilo izany. Nefa tokony handeha lavidavitra kokoa, ary hahatakatra ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra eto amin’izao tontolo izao.

Taloha kelin’ny safodrano, dia „hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro” (Genesisy 6:5). Tokony ho tamin’ny taona 700 talohan’i Jesosy Kristy, ny mpaminany Isaia dia efa nahatsapa zava-dratsy toy i Einstein, hoe : „Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary” (Isaia 1:5-6). Ny loha no fitoeran’ny fisainana sy ny sitrapo. Ny fo dia manondro ny fihetsehampontsika, ny fitiavantsika. Ny tongotra dia maneho ny fandeha, izany hoe ny fitondrantena.

Tokony hamoy fo ve ? Tsia, satria ny Filazantsara dia mitondra valiny tsy manan-tsahala ho an’io fahatsapana mampangorohoro io : mampiharihary izay mameno ny fon’Andriamanitra sy tianay hantsoina hoe „ny hery mety mipoaka” ananan’ny fitiavany mandrakizay.