Talata 12 Septambra 2023
Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32
Nahavita fahadisoana goavana ity mpiasa mbola tanora iray. Nampanantsoin’ny lehibeny ho any amin’ny biraony izy, ary nihevitra fa ho voaroaka avy hatrany, sy hantsoina eny amin’ny fitsarana aza angamba. Nanontanian’ny lehibeny izy raha miaiky fa nanao io fahadisoana io. Niaiky izany ilay tovolahy ary tena naneho fanenenana.
— Raha izany, hoy ilay lehibeny nanohy, dia tsy hitondra anao any amin’ny fitsarana aho, ary izaho ihany no hanonitra ny fahavoazana vokatry ny nataonao.
Tankina tsy nahaloa-peo ilay mpiasa. Rehefa handeha iny izy, dia hoy ilay lehibeny taminy :
— Ianao, ato amin’ity orinasa ity, no olona faharoa nahavita fahadisoana goavana, sy navela heloka avy eo. Aoka ho fantatrao fa ny voalohany dia izaho. Matoa aho mamela heloka anao, dia satria niainako ka fantatro ny atao hoe famelan-keloka. Aza gaga àry ianao, satria izaho dia tsy inona fa mpianatr’i Kristy, Izay namela ny heloko.
Toy izany no fomba ahafahana kristiana mampihatra ny fampianaran’ny Tompo Jesosy. Tsy hoe matokitoky ny olona rehetra tsy akory, fa hoe tiako havela heloka ve ity olona ity, raha miaiky ny fahadisoany ? Rehefa tena mahatsapa isika fa nanafoana ny trosa bentsika ireo fijalian’ny Tompo Jesosy sy ny fahafatesany, rehefa mahatsiaro ny toerana nisy antsika tamin’ny fotoana nahitan’Andriamanitra antsika, dia sambatra mamela heloka ny namantsika. Mba haha afaka azy sy hisitrahany ny fiadanana entin’ny fampihavanana.