Alarobia 13 Septambra 2023
Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana ; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra. Jakoba 5:16-18
Ny vavaka miredareda dia mifanohitra amina vavaka imolotra, tsy misy faharesen-dahatra. Ny vavaka miredareda dia miandry am-paharetana valiny mazava.
Toy izany ny fivavaky ny mpaminany Elia. Rehefa mamaky ny Mpanjaka voalohany toko faha-17 sy 18 isika, dia mahatakatra fa Andriamanitra no nampihantona ny ranonorana tsy hilatsaka, nandritra ny telo taona mahery. Talohan’izany Izy dia nilaza an’i Elia hiafina any akaikina renirano kely ; nomena sakafo tany izy, tamin’ny fomba mahagaga : goaika no nitondra mofo sy hena ho azy. Andriamanitra ihany koa no namela ny ranonorana hilatsaka indray. Nefa ny apostoly Jakoba, nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina, dia mampahafantatra antsika fa ho valin’ny vavaka miredareda nataon’i Elia no nanaovan’Andriamanitra izany.
Ny patriarka Isaka dia nivavaka nandritra ny 20 taona mba hanana zanaka, satria momba ny vadiny (Genesisy 25:20-26). Mety ho gaga isika hoe niandry elabe toy izany Andriamanitra vao namaly. Nety ho ketraka ihany koa i Isaka, ka nitsahatra tsy nivavaka intsony. Nefa Andriamanitra manana drafitra ho an’ny tsirairay, ary indraindray dia te hitsapa ny finoantsika, tsy hoe mba hampisalasala na hanakivy antsika tsy akory, fa mainka aza hanamafy ny fatokiantsika Azy sy hampianatra antsika hiantehitra tanteraka aminy.
Ny mpino zatra mitoky amin’Andriamanitra, eo amin’ny antsipiriam-piainany, dia tsy hisalasala hametraka eo aminy ireo toejavatra sarotra, izay tsy misy vahaolana avy amin’olombelona angamba, nefa mahakasika azy ao amin’ny aty fony lalina. Ndao hivavaka am-pinoana, am-paharetana, na irery na miaraka maro. Hamaly Andriamanitra, araka ny fombany sy amin’ny fotoana fantany fa mety.