Alakamisy 14 Septambra 2023

Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra ; ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Lioka 10:27

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13

 

Ilay Samaritana tsara fanahy

Tsara vakina : Lioka 10:30-37

Ao amin’ity fanoharana mahafinaritra ity, ilay mpandeha mampalahelo voaendaka sy nilaozana efa saika maty, dia maneho ny olona latsaka eo ampelatanan’i Satana. Ilay mpisorona sy ilay Levita samy nandalo fotsiny dia kisarisarin’ny fanampiana tsy mamokatra entin’ny fivavahana ara-pombafomba ivelany. Fa ao amin’ilay Samaritana feno antra kosa no ahitantsika ny Mpamonjy, Izay nijery ny fahorian’ny olona, mba hanaisotra azy tamin’ny anjarany mampamoy fo. Mitantara io tantara io Jesosy, mba hahatonga ilay miresaka aminy hahita ny valin’ny fanontaniany hoe : „Iza àry no namako ?” Dia tonga ho azy ny valiny : ny namako dia ilay namindra fo tamiko.

Ny namantsika izany, voalohany indrindra, dia Jesosy Kristy Izy tenany mihitsy : nanatona antsika Izy ! Ny olona tsara sitrapo dia miezaka hitia ny olona. Mihevitra izy amin’izany fa mankatò ny didy nomen’Andriamanitra. Nefa dia famadihan-javatra izany. Noho ny toetrantsika efa voamariky ny ota mantsy, dia tsy haintsika, matetika, ny mitia tsy mitady tambiny sy mitia tsy mivadika. Iray ihany no afaka nanao izany, dia Jesosy ! Nidina avy any an-danitra Izy mba hampiseho amintsika ny fitiavany, ary nanolotra ny ainy hamonjy antsika. Misy porofo lehibe kokoa noho izany ve ho azony nomena antsika ?

Tsy eto an-tany intsony Izy, nefa mbola manatsotra hatrany ny tanany amin’ny tsirairay, mba hanasitrana ireo ratra ara-toe-panahin’io olona io. Omeny ny fiainana mandrakizay ny olona manaiky ny fanomezany, ary ataony mahay maka tahaka ny fandavantenany sy ny fangorahampony. Hoy Jesosy namintina ny resaka nataony : „Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa”. Miorina eo amin’izay nataon’i Jesosy ny zavatra rehetra.