Zoma 15 Septambra 2023
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18
Solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20
Misalasala momba ny fisian’Andriamanitra ve ianao ? satria heverinao fa tsy misy fijoroana ho vavolombelona manamarina izany. Izao tontolo rehetra izao dia efa „mitory ny voninahitr’Andriamanitra”. Ny Baiboly dia manasongadina ihany koa ny fisian’Andriamanitra, amin’ny alalana zava-misy nekena sy nohamarinina. 700 taona talohan’i Jesosy Kristy dia nanambara ny mpaminany Isaia fa hanome famantarana ho an’ny vahoakany Andriamanitra. Virijina no hiteraka Zazalahy hantsoina hoe „Andriamanitra amintsika”. Ary io Lehilahy io, Jesosy, dia ho faty mba hanonitra ny fahotan’ny olony (Isaia 7:14 ; 53). Ambaran’ireo filazantsara antsika fa Jesosy, Izay nohelohina satria nilaza ny tenany ho Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nandritra ny fiainany, dia vavolombelona maro no nanambara fa nanao fahagagana Izy : nanasitrana marary, nandeha teny ambony rano, nanangana maty… Tranga mbola nahagaga kokoa noho ireo, dia izao : voahombo teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary maty tan-tsitrapo rehefa nanolotra ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Kapiteny romana iray, vavolombelona nahita ny nahafatesany, no nanambara hoe : „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Matio 27:54). Tsy diso hevitra izy, satria Jesosy dia niteny hoe : „Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko, mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray” (Jaona 10:17-18). Eny, naka ny ainy indray Izy ! Hita hoe foana ny fasany. Olona 500, sy maro hafa ihany koa, no indray nahita an’i Jesosy velona, ny sasany aza niara-nisakafo taminy. Tsy misy tombony ho an’ireo vavolombelona ireo ny hanambara izany zava-nisy izany, ary mifanohitra amin’izany aza, fa tsy maintsy niaritra henatra sy fanenjehana izy ireo…
Mbola misalasala ihany ve ianao ? Raha toa ianao mino an’Andriamanitra, Izay naneho ny tenany tao amin’i Jesosy, dia hanjary Rainao Izy.