Asabotsy 16 Septambra 2023

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Fialofana ho an’ny tsy manan-trano honenana

Ny evanjelista Wilhelm Busch (1897-1966) dia niampita ny ranomasimbe Atlantika tao amina sambo mandeha amin’ny etona. Nampitsidika azy ny sambo ny iray tamin’ny mpiandraikitra, no nifandona tamina mpiasa izy, mpiasa mpikarakara ny efitry ny mpandeha, nihazakazaka tao amina lalantsara somary maizimaizina. Taorianan’ny fifandonana dia nametraka ny tanany teo amin’ny sandrin’ilay olon-tsy fantany i Busch, ary nihomehy niteny taminy hoe :

— Manidina toy ny vorona ianao izany ! Inona no ataonao ato amin’ity sambo midadasika ity ? Tonga dia namaly izy hoe :

— Efa pasitera aho, mpamboly, mpirenireny, tantsambo. Efa nanandrana ho relijiozy mpitoka-monina aza aho, nandritra ny fotoana vitsivitsy. Nefa tao koa aho dia tsy afaka nahita ny fiadanana.

Nanontanian’i Busch azy maimaika ny anarany, talohan’ny niverenany teo amin’ilay mpitari-dia azy. Nahoana no nisy iny fifanenana tampoka sady tsy nampoizina iny ? hoy izy anakampo. Tsy Andriamanitra ve no nametraka iny olona iny teo amin’ny lalako ? Iny olona tsy manan-trano onenana iny, nivezivezy hatraiza hatraiza teny an-tanety sy tetỳ an-dranomasina, dia nanandrana ny asa rehetra, hatramin’ny asam-pivavahana aza, nefa tsy nety nahita ny fiadanana. Azo antoka fa nitady azy Andriamanitra.

Rehefa tafaverina tany aminy i Busch, dia nandefa Testamenta Vaovao ho azy ; dia izay. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana izy dia naharay taratasy tena mahafinaritra, araka ny filazany, izay nanomboka toy izao : „Ankehitriny aho dia nahita ny fiadanana eto anilan’i Jesosy, voahombo teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana velona indray.”

Izany no fahagagana ataon’ny hazofijaliana. Eo anilan’ny Tompo Jesosy dia mahita fitsaharana ny olona tsy manana fiadanana ; izay mibanjina ny fitiavan’Andriamanitra sy milavo lefona eo anatrehany dia mahita ny aina, ny famelan-keloka, ny fampihavanana, ary ny fahasoavana.