Alahady 17 Septambra 2023
Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy —ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:5-6
Tamin’ny taona 1971 dia naka horonantsary ny tsy manan-kialofana tany Londra i Gavin Bryars, mpanao mozika anglisy, sy namany iray. Tamin’io hariva io dia nisy lahiantitra iray nihira moramora tsy an-kiato fehezanteny vitsivitsy toy ny hoe : „Jesus’blood never failed me yet” (Tsy mbola nandao ahy mihitsy ny ran’i Jesosy), ary nofaranany hatrany tamin’ny hoe : „He loves me so !” (Tia ahy fatratra Izy !).
Indray maraina dia navelan’i Bryars nandeha niverimberina ny horonam-peo misy ilay hira, ary nahagaga azy ny fiantraikan’izany teo amin’ireo olona nanatrika tao amin’ny efitrano. Koa nanapa-kevitra izy hanatsara ilay feo amina rodoben-javamaneno, izay nolazainy fa „manaja ny hasin’ilay mpangataka sy ny finoany tsotra”. Dia nahavokatra asa kanto ara-mozika malaza iray izany.
Tsy hita intsony ilay antidahy. Tsaroan’ireo namany fahiny fa tsy mba nisotro zava-mahamamo mihitsy izy. Tao anaty fahantrana, sy aretina ihany koa angamba, ny fijoroan’io olon-tsy fantatra io ho vavolombelona dia re-na mpandalo maro, sy izao tontolo izao mihitsy aza, noho ny fampielezana ilay kapila. Azo antoka fa sarotra ny fiainan’io lehilahy io. Nefa nohirainy tsy nitsahatra ny finoany, tsy tahaka mpihira manan-talenta tsy akory, fa tam-paharesen-dahatra feno fanantenana. Nohirainy ny fitiavan’i Jesosy sy ny lanjan’ny fahafatesany manavotra.
Iza no afaka mihira toy izany ? Izay nohamarinina satria nino an’i Jesosy Kristy. Io fanamarinan’Andriamanitra io dia atolotra ny olona rehetra, na inona na inona toerany eo amin’ny fiarahamonina, nefa izay manaiky handray izany ihany no omena azy (Romana 3:22). Lafo dia lafo ny saran’io fanamarinana io : novidina tamin’ny ran’i Jesosy Kristy isika (1 Petera 1:18-19).
Ianao koa ve mba afaka mihira hoe : „Tia ahy fatratra Izy” ?