Alatsinainy 18 Septambra 2023

Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ireo tia fahafinaretana sy ireo mahazaka misedra ny mafy

Nandritra ny nivahiniany tany Atena, ny apostoly Paoly dia niatrika ireo fironana ara-filôzôfia lehibe roa tamin’izany fotoana izany, dia ny an’ny epikoriana (ireo tia fahafinaretana) sy ny an’ny sitoisiana (ireo mahazaka misedra ny mafy). Amin’izao vaninandro iainantsika izao koa, dia misy fironam-pisainana isan-karazany mitarika ny tsirairay. Ny sasany dia „tia lanonana”, miteny hoe : „Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (isaia 22:13). Misy kosa miaina manaiky ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana, araka izay fisehony ; manaboribory lamosina rehefa mihasarotra ny toejavatra, ary miantehitra amin’ny vintan-tsarany amin’ny fotoana hafa rehetra. Ireo antokon’olona roa ireo dia samy tsy ahitana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Ny apostoly Paoly dia manolotra fomba fiainana hafa : miaina miaraka amin’Andriamanitra. Amin’ny fiainantsika eto an-tany, isika rehetra dia efa miankina tanteraka aminy, na mahatsapa izany na tsia. Andriamanitra no „manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra” (Asan’ny Apostoly 17:25). Nefa mbola mihoatra noho izany ny tiany hatao ho antsika, dia ny hampiditra antsika ao amin’ny fahasambarany. Tiany hifanaraka amin’ny maha Izy Azy ny antony mandrisika antsika eo amin’ny fiainana, dia fitiavana, fahamarinana, fahazavana… Ho amin’izany dia nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany, Izay oha-piainana lavorary : nambaran’Andriamanitra fa Izy no nankasitrahiny. Fa raha miaina tsy misy Azy kosa, dia mizotra hiatrika ny fanamelohana mandrakizay.

Jesosy dia tsy tonga hanameloka antsika. Tiany ny hamonjy ireo izay mibebaka noho ny fiainana niainany tsy nisy an’Andriamanitra, sy mino Azy mba hanana fiainana mandrakizay. Dieny ankehitriny io fiainana io dia hahafahany miaina ny hoe „tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”. Izany dia fiainana am-pahononan-tena, fiainam-pinoana, ao anaty toejavatra sarotra indraindray, fiainan-tsambatra miaraka amin’i Jesosy.