Talata 19 Septambra 2023

Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’i Jesosy hanao hoe : Tompoko, indro, marary ilay tianao. Jaona 11:3

Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. Jaona 11:5

 

Fantatry ny Tompo ny ataony

Tsara vakina : Jaona 11:1-44

Lazarosy sy izy mirahavavy anabaviny, Marta sy Maria, dia fianakaviana tian’i Jesosy. Namangy azy ireo matetika tany Betania Izy. Indray andro dia nitrangan’aretina io ankohonana io : narary mafy i Lazarosy, ary efa teo am-bavahoanan’ny fahafatesana mihitsy aza. Tsy maintsy atao izay hahitana an’i Jesosy ! Saingy tsy teo an-toerana Izy, ka nampitondra hafatra maika ho Azy izy mirahavavy, hoe : „Marary ilay tianao”.

Mbola velona i Lazarosy, no niantso an’i Jesosy ry Marta sy Maria. Nefa tsy nandeha nankany avy hatrany ny Tompo, fa mbola nijanona roa andro ihany teo amin’ny toerana nisy Azy ; ary nandritra izany dia maty i Lazarosy. Nahoana àry Jesosy no tsy mba dodona kokoa noho izany ?

Nikiky ny olona rehetra ny tebiteby, fa Jesosy kosa tony hatrany. Tsy niraharaha ve Izy ? sa tsy tohina ? Tsia, fa fantany izay zavatra hitranga. Hiseho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny, rehefa hivoaka ny fasana i Lazarosy, hatsangan’i Jesosy.

Isika ve tsy toa an-dry Marta sy Maria, mirona hiasa saina be rehefa ao anaty toejavatra sarotra ? Heverintsika fa tsy hiditra an-tsehatra ny Tompo, na ho diso aoriana loatra, na dia mivavaka aza isika… Tsy misy hadinon’i Jesosy mihitsy ny olony, na iray aza. Fantany ny toejavatra miseho eo amin’ny fiainantsika, koa aoka isika hatoky Azy. Amin’ny fotoanany Izy dia hiasa araka ny fiheviny „hahatonga fiadanana” (Jeremia 29:11). Ho an’ny olony tsirairay dia „tsara ny anaovany ny zavatra rehetra” (Marka 7:37), na dia valiny mety ho hafa noho izay andrasantsika aza. Indraindray dia elabe any aoriana izany vao takatsika.