Alarobia 20 Septambra 2023
… Ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely ! Ary afo ny lela… Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Jakoba 3:5-10
Iza no tsy mahatsiaro teny diso toerana, tsy mendrika, feno hadalana, izay nisy fiantraikany mitovy amin’ny afo mandrava mamely ny alan-kazo kesika sy ny kirihitra, mandevona izay rehetra lalovany, ary mamela marika mbola hita maso, taona maro atỳ aoriana.
Ny apostoly Jakoba eto dia miresaka amina mpino tsy voaaro amina loza toy izany. Koa tokony ho mailo, manoloana izany fampitandremana izany. Firifiry moa ny fiangonana (fivoriana kristiana), ary koa fianakaviana, mpivady, mpinamana potika tsikera, fosafosa, fanendrikendrehana. Ny mitati-bolana, manaratsy, manely fanalam-baraka, dia mety hiteraka vokatra tena ratsy, toy ny :
— fisaratsarahana : „Izay te ho be fitiavana dia manaron-keloka ; fa izay mamohafoha teny, mampisaraka ny tena mpisakaiza” (Ohabolana 17:9).
— fifandirana : „Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo ; ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana” (Ohabolana 26:20).
— fahatezerana : „Ny rivotra avy any avaratra, mahatonga ranonorana ; dia toy izany, ny lelan’ny mpifosa, mampahavinitra endrika” (Ohabolana 25:23).
— fahoriana : „Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany” (Ohabolana 25:18). „Misy mandefalefa teny tsy tsaroana, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra ; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa” (Ohabolana 12:18).
Ny fijoroan’ny lohandohan’ny vahoaka jiosy ho vavolombelona mandainga sy ny fialonan’izy ireo no nahatonga an’i Jesosy ho eo amin’ny hazofijaliana. Taomina isika handà ny hasiaham-po, ny lainga, ny fihatsarambelatsihy, ny fitsiriritana, ary ny fifosafosana isan-karazany (1 Petera 2:1).