Alakamisy 21 Septambra 2023

Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13-14

 

Zavatra iray loha

— Vao avy nanasitrana jamba iray Jesosy (Jaona 9). Tsy hitan’io olona io izay havaly ireo nanadina azy momba Ilay nanasitrana azy. „Zavatra iray loha ihany no fantatro : jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao” (and 25). Jamba ara-panahy ny olona, rehefa tsy mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra ; nefa rehefa manazava ny fony ny fahazavana, dia manana fahazoana antoka tsy hay hozongozonina izy.

— Ny Lioka 10:38-42 dia miresaka mpirahavavy : i Marta, tena navitrika nanompo an’i Jesosy ; fa i Maria kosa, nijanona teo an-tongony ary nihaino Azy niteny. Rehefa tonga i Marta nitaraina tamin’i Jesosy momba ny rahavaviny, dia novaliny tan-kamorampo hoe i Maria nifidy ny zavatra iray loha hany ilaina. Mampieritreritra antsika izany, satria isika ihany koa indraindray, eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika, dia te hiasa alohan’ny hihainoana.

— Ny apostoly Paoly dia nanana anaram-boninahitra maro ho azony nireharehana. Nefa „noho ny… Kristy”, dia nataony ho „taimboraka” ireny (Filipiana 3:8). Nanoratra izy hoe zavatra iray loha ihany no ataony : mihazakazaka ho any an-danitra. Ndao haka tahaka azy, tsy hatahotra handao izay mamatotra antsika etỳ an-tany, mba hifantoka amin’ny zavatra „any ambony” (Kolosiana 3:1-4).

— Davida mpanjaka, ao amin’ny Salamo 27:4, dia nanao hoe : „Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako”. Fiainana miaraka amin’Andriamanitra, izany no manan-danja amin’ny mpino. Mahazo antoka fa nafahana tamin’ny fahamelohana, mihaino ny Tenin’ny Tompo, mihazakazaka manatratra ny tanjona any an-danitra sy mitoetra eo anatrehan’Andriamanitra —laminasa mahafinaritra anie izany e ! Laharan-kamehana ho antsika ve izany ?