Zoma 22 Septambra 2023

Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. Jakoba 4:6

Izy (Jesosy) dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra. Filipiana 2:8-9

 

Adalam-boninahitra

Tamin’ny fararano 2018 i Chine dia nitokana ilay tetezana ambony ranomasina lava indrindra eto amin’izao tontolo izao. Izy io dia mampitohy an’i Hong Kong, Macao ary Chine, ary mirefy 55 km. I Torkia dia nitokana ny seranam-piaramanidina lehibe indrindra eto an-tany, manana velarana 76 km2, ary i Inde dia nitokana ny sary vongana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao, izay 182 m ny haavony. „Mararin’ny hadalam-boninahitra ve ireo firenena vaovao matanjaka ara-toekarena ?” hoy ny lohatenin-gazety iray. Taratra firoboroboana fatratra ara-toekarena izany, ary koa fomba entin’ireo firenena ireo mampiseho ny heriny amin’izao tontolo izao.

Fironana ara-boajanahary ao anatintsika ny te ho lehibe. Toy ny miorim-paka ao anatintsika ny avonavona. Ireo mpianatr’i Jesosy, nahita isanandro ny fanetrentena lavorary nananany, nefa dia mbola nitady ihany ny fahalehibeazana. „Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe” (Lioka 22:24). Tsy vitan’ny hoe te ho ambony ny olona, fa te ho lehibe indrindra ihany koa. Dia nasehon’i Jesosy an’ireo mpianany fa ny tena fahalehibeazana dia ny manompo ny hafa. Io no toerana noraisiny, Izy Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpahary Tsitoha. Nanetry tena Izy ka nanjary olona mihitsy, mba hanompo ny voariny. Apetraka eo anoloan’ny mpino ny fanetrentenany, ho ohatra arahina. Io fanetrentenany io dia mifamatotra amin’ny fitiavana sy ny fanolorantena hanasoa ny hafa. „Fa izay manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra”, hoy Jesosy (Matio 23:12).

Ary asehon’ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony antsika, fa nanetry tena mihitsy Jesosy, mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, sitrapo nitarika Azy hanaiky ho faty mba hanafaka antsika.