Asabotsy 23 Septambra 2023
(Hoy Jesosy :) Indro, Izaho momba anareo mandrakariva. Matio 28:20
Ny fanantenana… izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:18-19
Vao haingana dia nisy mpinamana roa nitana tranoheva-na Baiboly eny amin’ny tsenabe, naharay taratasy hoe :
„Hitako ho mampahery ny fisiana kristiana mbola misarika ihany ny sain’ny olona ho amin’ny Vaovao Mahafaly. Maro aoka izany mantsy ny olona ampoka ara-karena, nefa mahantra raha ny amina fanantenana. Anisan’ireny aho taloha.
Avy amina fianakaviana kristiana aho, manana namana tsara ary tsy sahirana ara-bola, nefa dia ory nandritra ny taona maro. Nanapa-kevitra aho tsy ho any amin’ny fivoriana kristiana falehan’ny ray aman-dreniko intsony. Tsy resy lahatra intsony aho mantsy hoe misy dikany ny fiainana ao amina vondrona toy io. Nihevitra aho fa ampy ny mino an’Andriamanitra. Nanomboka liana tamina fivavahana sy filôzôfia isan-karazany aho. Na mety hahaliana aza io lohahevitra io, dia tsy ilaina, raha zohina.
Roa taona lasa teo ho eo izay dia niaina fotoan-tsarotra manahirana aho, ary tsy nahita mangirana intsony. Dia nanomboka liana indray tamin’ny finoana kristiana aho, ary nahita fa Ilay Andriamanitry ny Baiboly irery no hany afaka mamonjy sy manavotra. Izany faharesen-dahatra matotra izany no vatofantsika fanantenako. Nanjary nameno fifaliana lehibe ny fiainako ny fahazoana antoka fa Jesosy Kristy no Ilay Zanak’Andriamanitra, maty teo amin’ny hazofijaliana noho ireo fahadisoako, avy eo nitsangana tamin’ny maty.
Na dia miaina tebiteby manindry sy olana maro aza aho amin’izao fotoana izao, dia mahazo antoka fa ho voaaro no entin’i Jesosy hamakivaky ny fiainana. Ho hainy ny hampitombo ahy, izay mbola zaza ara-panahy.”