Alahady 24 Septambra 2023
Nisy nitondra zazakely ho eo aminy (eo amin’i Jesosy) mba hametrahany tànana… Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy, ka nitsodrano azy. Marka 10:13, 16
Afaka mahita isika nefa tsy hita, afaka mahare nefa tsy re, saingy azo antoka kosa fa tsy afaka hikasika raha tsy voakasika. Ny fikasihana no retsi-pamantarana mampiseho tsara indrindra ny fifandraisan’ny olona, fifandraisana akaiky sady mifamaly. Ny fikasihana dia omena toerana lehibe eo amin’ny fiandohan’ny fiainana —matetika trotroina ny ankizy madinika- ary io koa angamba no masom-batana hanjavona farany. Mandeha ho azy ny fampiasana azy io, amin’ireo fotoana maha feno fihetseham-po ny olona.
Ireo filazantsara dia mitatitra fotoana maro nikasihan’i Jesosy olona. Fanambarana tena mahery ny maha olona Azy izany. Io fihetsika io dia maneho ny fangorahany sy ny fitiavany. Nikasika boka iray Izy mba hanasitranany azy (Lioka 5:13) ; sitrana teo no ho eo ilay vehivavy narary nandeha ra, nony nikasika ny moron-tongotr’akanjony (Lioka 8:44). Notrotroin’i Jesosy ireo ankizy kely nentina teo aminy, avy eo nametrahany tanana sy notsofiny rano (Marka 10:16). Ireo mpianany raiki-tahotra ihany koa dia nokasihiny, mba hitony (Matio 17:6-7) ; ary notaominy izy ireo hikasika Azy, mba ho resy lahatra fa nitsangana velona indray Izy (Lioka 24:39).
Rehefa nosamborina Jesosy, dia nisy mpianatra iray nandratra an’i Malko, ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nanapaka ny sofiny. Nefa nokasihin’i Jesosy ilay sofina niendaka ary nositraniny ilay lehilahy (Lioka 22:51). Nanarina ny ratsy vokatry ny hafanam-pon’ilay mpianany Izy, ka nampiseho ny hamorampony tamin’ity mpanompo ity, izay voatahiry ny anarany. Asa i Malko raha nanjary kristiana taorianan’ny fihetsika feno fangorahana nasehon’i Jesosy, nefa io fihetsika io dia nampahafantatra ny fahasoavana tsy hita lany ao amin’ny Tompo, mirotsaka amina iray amin’ireo fahavalony, nirahina hisambotra Azy.