Alatsinainy 25 Septambra 2023

Izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty. Jakoba 5:20

Hanavotra ny fanahiko ho amin’ny fiadanana [Izy]. Salamo 55:18

 

Manao ahoana ny fanahinao ?

Indray andro dia nitsangantsangana tany Lausanne (any Suisse) ilay mpitoriteny antsoina hoe Félix Neff, ary nahita lehilahy iray teo anoloany, izay noheveriny ho isan’ireo sakaizany. Nanatona azy haingana izy ary nametraka moramora ny tanany teo an-tsorony, sady nanontany azy hoe :

— Manao ahoana ny fanahinao, ry sakaiza malala ?

Niherika ilay olona tsy fantatra, ka tsapan’i Neff ny fahadisoany. Nohazavainy avy hatrany ny hadisoany, ka niala tsiny fatratra izy, dia nanohy ny lalany. Tokony ho telo taona tatỳ aoriana dia nisy lehilahy nanatona azy, niarahaba azy, ary nilaza taminy fa nahazo zava-dehibe taminy.

— Nifanena isika indray andro, tany Lausanne. Noheverinao ho iray tamin’ireo namanao aho, ary nopehinao ny soroko sady niteny ianao hoe : „Manao ahoana ny fanahinao, ry sakaiza malala ?” Nampieritreritra ahy fatratra io fanontanianao io. Niaiky ny fahotako aho, nitodika tamin’Andriamanitra, dia namela heloka ahy Izy. Ankehitriny aho dia afaka mamaly anao hoe milamina tsara ny momba ny fanahiko.

Ry kristiana, io tantara io dia tokony hitaona antsika hihevitra ny fanahin’ny olona tsirairay mifanerasera amintsika. Matetika loatra isika no mianina amin’ny fahasalaman’ny vatana, tsy mifampiresaka afa-tsy ny momba ny fiainantsika eto an-tany. Nefa isika izay efa manana „fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1) dia mahafantatra tsara fa tsy hay atakalo io fiadanan’ny fanahy io ! Aza atahorantsika àry ny miresaka izany amin’ny mpiara-miasa, mbamin’ny mpiara-monina amintsika. Maro angamba ny olona sahiran-tsaina, nefa tsy sahy miresaka momba izany. Koa ndao ho sahy hiresaka mikasika izany ary hampiseho aminy ny làlana mankany amin’ny fanafahana.