Talata 26 Septambra 2023

Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Salamo 27:1

Jehovah… ô, sambatra izay olona matoky Anao. Salamo 84:12

 

Aza matahotra

Matetika isika no manana tahotra. Hitombina izy ireny raha toa isika manirery, avela samirery eto amin’ity tontolo mihasarotra kokoa hatrany ity. Nefa ireo izay mitoky amin’Andriamanitra dia tsy mba irery na oviana na oviana, na tsy hita maso aza ny fanatrehany. Nampanantena azy ireo mantsy Izy fa hiaraka aminy sy hiaro azy mandrakariva, ary na aiza na aiza. Andinin-tSoratra Masina maro ao amin’ny Baiboly no manambara izany ; indreto misy vitsivitsy : „Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao” (Isaia 43:1). „Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho” (Isaia 41:10). „Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe : Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao” (Isaia 41:13). „Fa hoy Izy : Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5). Koa na inona na inona zava-tsarotra, dia ndao hatoky Azy sy hianatra hiteny, ary indrindra, hiaina ny hoe : „Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho” (and 6). Nahoana no matahotra ianao, ry fanahiko ? Eo amin’ny fijaliana mafy, Tsy ny Tompo ve no fiankinanao, tohana ho anao ? Andrandrao ny masonao ; Izy no fanafahana ho anao. Tsy hamela anao ho irery Izy ; ry fanahiko, aza matahotra na inona na inona.

 

Tsia, tsy hatahotra na inona na inona aho ! Na i Satana, na izao tontolo izao, Tsy maharombaka ahy eo an-tsandrin’Ilay Mpiandry Tsara. Eo no isitrahako am-piadanana ny hamaminy lalina ; Eo no ialofako ho mandrakizay amin’ny loza.