Alarobia 27 Septambra 2023
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana, ho an’izay mampandroso ny fihavanana. Jakoba 3:17-18
Mpino iray manao teny tsy voahevitra dia mety handrehitra afo mandevona zavatra maro. Nefa koa afaka ho isan’ireo mahay mamono na manakana afo tahaka izany, tsy amin’ny rano tsy akory, fa amin’ny fahendren’Andriamanitra, fahendrena mahery.
Tantarain’ny bokin’ny Mpitsara toko faha-7 sy faha-8 antsika ny nandresen’i Gideona ny Midiana, vahoaka fahavalo eo akaikiny. Tamin’ny alina i Gideona sy ireo lehilahy 300, nomen’Andriamanitra toromarika hendry, dia nihodidina mangina ny tobin’ny Midiana. Rehefa nibaiko i Gideona, dia nitsoka trompetra izy ireo, nihazona ny fanilony nirehitra teny an-tanany, ary nihoraka hoe : „Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona !” Vaky nandositra avy hatrany ny tao an-tobin’ny fahavalo. Foko maro teo amin’ny Israely no nanampy tamin’ny ady. Dia nomen’Andriamanitra ny fandresena.
Nefa indreo olona avy amina foko iray tsy voantso hiady, nanome tsiny mafy an’i Gideona. Namaly i Gideona, an-kalemem-panahy, tsy nisy hambo, ary nanoritra mihitsy ny toetra tsaran’izy ireo aza. „Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy” (Mpitsara 8:3). Tatỳ aoriana i Solomona dia nanoratra hoe : „Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy” (Ohabolana 15:1).
Koa inona àry no tokony hampiavaka mpino ? Ny halemem-panahy, ny fikatsahana ny tsara, fikatsana izay rariny, izay rehetra mitondra ho amin’ny fihavanana. Samy tsy manana io fahendrena io isika, nefa ampirisihina hangataka izany : „Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).