Alakamisy 28 Septambra 2023
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo, hiala amin’Izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy, ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory ; fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Galatiana 1:6-7
Amin’izao fotoana izao dia misy olona sy vondrona kristiana tsy manambara manontolo ny Filazantsara. Nefa tsy ho hay takarina ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny olona, ny fitiavany sy ny fahasoavany, raha misy zava-dehibe fototra avela eny an-jorom-bala. Tsy maintsy ambara ny fahamarinana manontolo, anisan’izany ny hoe :
— „Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23).
— „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra), manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).
— „Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:24).
— Ahoana no hampifanarahana ny hoe Andriamanitra fitiavana sy ny hoe fahatezerany ? „Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” (Romana 5:20).
Andriamanitra dia tsy manafina na inona na inona momba ny ota, na ny fahamarinany, nefa kosa manolotra famonjena maimaimpoana antsika. Vina mahatalanjona anie izany ambaran’ny Filazantsara antsika izany e ! Nefa nahoana moa no misy fahasoavana toy izany ? Satria teo amin’ny hazofijaliana dia nihatra tamin’i Jesosy, Ilay olona lavorary, ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina. Nohelohina nisolo toerana antsika Jesosy, ary nanonitra izay rehetra fahadisoantsika. Nijaly Izy, maty ho antsika, „ny Marina hamonjy ny tsy marina” (1 Petera 3:18). „Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9).
Izany no fototra iorenan’ny Filazantsaran’ny fahasoavana.