Zoma 29 Septambra 2023
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy : Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Levitikosy 19:31
Tamin’ny fotoana rehetra, ny olombelona dia nitady ao amin’ny fanompoana hery miafina, amin’ny endriny samihafa, ny vahaolana momba ireo zava-miafina eo amin’ny fiainana, na ny fampaherezana rehefa anaty fotoana mampitebiteby azy ireo. Am-polotaonany vitsivitsy izao dia olona maro no niala tamin’ny finoana an’Andriamanitra, ka manjary mifanehatra amina fahabangana lalina ara-panahy, na tsy miaiky izany aza.
Koa miezaka hameno io banga io izy ireo, mba hampihena ny tebitebiny rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisiny, na rehefa manontany tena momba ny hoaviny. Dia manararaotra izany ireo mpahita sy mpanandro.
Nefa inona no lazain’ny Baiboly antsika momba ireo fanao ireo ? Rarany tsy hanao izany isika, amina teny tena henjana hoe : „Aoka tsy hisy eo aminao… na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanao ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany” (Deoteronomia 18:10-12).
Matetika dia fitaka ireny fanontaniana mpahita na mpanandro ireny, fitaka tsy manao afa-tsy ny manararaotra ny finoana mora foana ao amin’olona very hevitra. Nefa maro koa ny mpanontany ny maty, mifandray amin’ireo fanahy baikoin’i Satana. Koa ndao handositra ireny fanao melohin’Andriamanitra tanteraka ireny ! Tsy hahita na inona inona afaka mampatoky antsika momba ny hoavy isika, raha tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izy no Ilay Andriamanitra fahamarinana, Andriamanitra fitiavana, ary Andriamanitra Mpamonjy !