Asabotsy 30 Septambra 2023

Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako. Matio 16:18

Kristy Jesosy no fehizoro indrindra ; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Efesiana 2:20-21

 

Ny Fiangonana

Ny teny grika hoe ekklesia, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia adika hoe fiangonana. Amin’ny fiteny mahazatra, io teny io dia sady manondro trano no manondro fikambanana mpino. Fa ao amin’ny Testamenta Vaovao kosa, io teny io dia manondro olona mino an’i Jesosy Kristy, nametraka ny fitokiana aminy mba ho voavonjy.

Ny Fiangonana maneran-tany dia ny fitambaran’ireo olona rehetra ireo, nanomboka tamin’ny niforonany tamin’ny andro Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2:1) ka mandra-pampiakatra ny mpino, rehefa miverena ny Tompo Jesosy. Iza no manorina azy io ? Jesosy tenany mihitsy, Izay niteny hoe : „Haoriko ny fiangonako”.

Iza no mandrafitra azy io ? Ireo rehetra tena kristiana, „vato velona” mifamatotra amin’Ilay Vato fanorenana ; ary „tsy misy mahay manao fanorenana hafa, afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” (1 Korintiana 3:11).

Inona no anjara asan’ireo izay mandrafitra azy io ? Mitsaoka an’Andriamanitra sy mijoro ho vavolombelony. „Ka dia atsangana koa ianareo, tahaka ny vato velona, ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 2:5).

Ny Fiangonana dia manondro koa ny fitambaran’ny tena kristiana miaina eto an-tany, na ao amina faritra iray fotsiny (jereo Asan’ny Apostoly 13:1). Amin’izay izy dia antsoina hoe Fiangonana isan-toerana. Jesosy irery ihany no mahafantatra ireo rehetra Azy. Koa tsy hita maso ny Fiangonana isan-toerana, satria tsy mifankahalala avokoa ny tena kristiana, sady mizarazara. Tsy miara-mivory toy ny kristiana tany am-boalohany izy rehetra. Ary tsy hita maso koa io Fiangonana io, satria misy milaza ny tenany ho kristiana, nefa amin’ny anarana fotsiny, tsy manana fifandraisana velona amin’ny Kristy akory.