Alahady 1 Oktobra 2023

Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy ; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra. 1 Timoty 3:16

 

Iza moa Jesosy, amin’ny kristiana ?

Jesosy dia Ilay Lehilahy nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany tamin’ny olombelona. Tamin’ny fiainany, tamin’ireo teniny sy ny fampianarany, dia nasehony antsika fa Andriamanitra mihitsy Izy ; „Andriamanitra tonga nofo”, izany hoe nanjary olombelona.

Io fahamarinana io no votoatin’ny finoana kristiana. Tsy hoe irak’Andriamanitra fotsiny Jesosy, na Ilay niteny tamin’ny anarany. Sady Andriamanitra Izy no olona ihany koa. Tamin’ny fahaterahany, ny fiainany ary ny fahafatesany, dia olona Izy, nefa maneho an’Andriamanitra, Izay fanahy (Jaona 4:24). Zava-miafina lalina izany (andinin-tSoratra Masina eo ambony).

Ny filazantsara efatra, izay mifameno, dia mampahafantatra antsika io olona mahatalanjona io. Tantarain’ireo antsika ny fiainany sy ny fampianarany. Ny finoan’ny kristiana dia miantehitra indrindra indrindra amin’ireo lahatsoratra ireo, ary koa amin’ny Baiboly manontolo. Jesosy mihitsy, nanomboka tamin’i Mosesy sy ireo mpaminany rehetra, no nanazava tamin’ny mpianany, tao amin’ny Soratra Masina manontolo, ny zavatra momba Azy (Lioka 24:27).

Jesosy dia nanangona ny mpianany (Jaona 11:52). Naoriny ny nantsoin’Izy tenany mihitsy hoe „ny fiangonako”, fiangonana voarafitr’ireo rehetra mino Azy, ka antsoina hoe zanak’Andriamanitra. Zavatra fototra iray no iraisan’izy ireo, dia ny fifamatorany manokana amin’i Jesosy Kristy nitsangana velona indray. Ny hoe kristiana dia ny mahafantatra fa Jesosy no Ilay Mpamonjy nanafaka ahy tsy hiharan’ny famaizana sahaza ahy, mba hanomezany ahy ny fiainana mandrakizay. Izany koa dia ny mahalala Azy ho Tompoko sy ohatra alaiko tahaka.