Alatsinainy 2 Oktobra 2023
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:20
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. Isaia 41:13
Izay tafika manana sampam-pitsikilovana mahomby dia misitraka tombony lehibe, miohatra amin’ny fahavalony. Fahiny elabe dia niaina izany ny mpanjakan’i Syria. Tsy takany hoe ahoana ny fahavalony, ny mpanjakan’Israely, no afaka nandrava ireo tetik’ady nataony. Nisy mpamadika ve teo amin’ireo manamboninahiny ? Tsia, hoy ny navalin’ireo mpanolo-tsaina azy, fa ny mpaminany Elisa no manambara amin’ny mpanjakan’ny Israely izay lazainao ao amin’ny miafina indrindra. „Mba hampanginany ity mpanome vaovao manelingelina ity, dia nohodidinin’ny mpanjakan’i Syria ny tanànan’i Dotana, nisy an’i Elisa.”
Horohoro toa inona moa no nahazo ny mpanompon’ilay mpaminany, nahita ny tafiky ny fahavalo nanodidina ny tanàna ! Elisa anefa dia tony : ny masony amin’ny maha mpaminany azy dia nibanjina ilay hery lehiben’ny miaramilan’i Jehovah, nanelanelana teo. „Aza matahotra”, hoy Izy ; dia nangatahiny Andriamanitra hampahiratra ny mason’ilay mpanompony, mba hahitany koa izay niaro azy ireo tamin’ny Syriana : „Indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo”, nalefan’Andriamanitra.
Ry kristiana, impiry impiry moa ny masom-pinoantsika no tokony hihiratra ! mba hahita ny fikarakaran’ny Tompo sy ny fomba fiarovany. Ao anaty loza lehibe manjo antsika, dia ndao hihaino ny feony hoe : „Aza matahotra, fa momba anao Aho” (Genesisy 26:24). Ny Fanahiny, Izay monina ao anatintsika, dia afaka mitarika antsika rehefa tsy fantatsika intsony izay tokony haleha. Rehefa eo ny zava-manahirana, dia ndao hianatra mahatsapa ny fanatrehan’ny Tompo eo akaikintsika, hikatsaka ny fiheviny, ary hanaiky hovontosan’ny hatsarampony.