Talata 3 Oktobra 2023
… Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy… nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara. Titosy 2:13-14
Raha vao mitranga ny fahagagan’ny fiovampo ho an’i Kristy, dia manana antony mivaingana hahavelomana isika :
— Mba hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra : „Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).
— Mba hitombo ara-panahy sy mba hanjary „lehilahy lehibe, … mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra…, fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy” (Efesiana 4:13-15), mba hanahaka Azy.
— Mba „hamoa”. Hoy Jesosy : „Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa” (Jaona 15:16). Ny hoe „mamoa” dia midika hoe maka tahaka ireo toetran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika, noho ny herin’ny Fanahy Masina, mba hiaina fiainana manome voninahitra Azy, hanao ny tsara, ary koa hahazo olona hafa ho an’i Kristy.
— Mba hidera sy hitsaoka an’Andriamantra. Hoy Jesosy tamina vehivavy Samaritana iray : „Minoa Ahy… Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka (ny tena mpitsaoka) hivavaka amin’ny Ray (hitsaoka ny Ray) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy (ny mpitsaoka Azy) ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy (mitsaoka Azy) tsy maintsy mivavaka (mitsaoka) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:21-24).