Alarobia 4 Oktobra 2023

Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao ? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Jakoba 4:4

 

Momba ny epistilin’i Jakoba (6)

Ny mpino mpijangajanga

Ny hoe mijangajanga, amin’ny heviny mahazatra, dia ny manitsakitsa-bady. Ndao hangataka an’Andriamanitra hanampy antsika tsy hanaiky ho latsaka ao amin’io fahotana miteraka vokatra mampalahelo aoka izany io. Nefa ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony, dia ny fijangajangana ara-panahy no resahin’ny apostoly. Misy kristiana sasantsasany, rehefa avy nitia sy nanaraka ny Tompo, dia niala tamin’izany mba hanaraka ireo sampy atolotr’izao tontolo izao mora foana. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny vahoaka Israely dia matetika nihodina tamin’Ilay Andriamantra velona, mba hivavaka amina sampy hazo na vato.

Atỳ amin’ireo firenena „novaina ho kristiana”, ny sampy dia mety haka endrika isan-karazany : fanatanjahantena, lamaody, vola, finday, sns. Na ny asa ara-drariny aza dia mety haka ny toeran’Andriamanitra ao am-pontsika. Manjary tena sampy izy ireny, mandoza satria tsara endrika ivelany, nefa mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra.

Inona moa no andrasan’Andriamanitra amin’ny mpino ? Tsy hoe ny hamelantsika izay rehetra asa aman-draharahantsika sy fialambolintsika tsy akory. Fa maniry Izy ho eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy ho eo anivon’ny fifandraisantsika. Izy ve, ao amin’ny fisainantsika, no Ilay anontaniana voalohany indrindra, satria tia antsika sy tokony homentsika haja ? Izy ve, eo amin’ny fiainantsika, no manana ny toerana voalohany, tsy misy marimaritra iraisana ? Ny fivavahana kristiana dia afaka iainana am-pifaliana, omban’ny faniriana hanome haja Ilay Andriamanitra sady Raintsika, tsy an-teritery henjana. Raha katsahintsika ny hampiditra an’Andriamanitra eo amin’ny andavanandrom-piainantsika, dia hanana lanja hafa tanteraka ny fiainana maha kristiana antsika. Dia hataontsika toy ny maty ireo fitsiriritantsika ao anaty, ary haka ny tena toerany marina ao am-pontsika ireo zavatra ara-karena.