Alahady 31 Desambra 2023

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1

Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Filemona 25

 

Matoa aho mijoro, dia noho ny fahasoavanao mandrakizay

Rehefa mahita ny fahotako aho, ka misalasala ny saiko - Ny tsy hahazo ny lanitra, izany no atahorako mafy-, Dia miteny amiko Ianao, ry Andriamanitro, momba izay nataoko, Hoe tsia, tsy ho voaheloka mihitsy ny zanakao.

 

Te hanao ny tsara aho, nefa tsy manan-kery ho amin’izany, Matetika loatra no manomboka ato anatiko ny fitsiriritana… Nefa hoy Ianao hoe miara-voahombo amin’i Kristy eo amin’ny hazofijaliana aho ; Hery sy vokatra feno fitahiana no ho tonga avy amin’ny Fanahinao.

 

Raha mihevitra aho fa mendrika hahazo izay rehetra omenao, Satria manaja ny zonao, amin’ny fanaovako asa soa vitsivitsy… Esory amiko, Andriamanitra ô ! izany avonavom-panahy izany. Raha mijoro aho, dia noho ny fahasoavanao mandrakizay.

 

Mino an’i Jesosy Kristy aho, nanefa ny trosako Izy ; Tsy misy na inona na inona azo anampiana ny asany lavorary. Nampanantena Ianao, Andriamanitra ô ! fa anio sy rahampitso, Dia hamihina ahy, eny, amin’ny tananao mahery.